Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka

Samir Feriani eo akaikin'ny zanany. Sary avy amin'i Yassine Gaidi tao amin'ny pejy Facebook e "Miaradia amin'i Samir Feriani isika rehetra"

Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana.

Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, Andriamatoa Feriani, mpiasa-panjakana ambony tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany, namoaka lahatsoratra roa tao amin'ny boky Al-Khabeer [Ar] (Ny Matihanina) izay nanambarany fa ireo olona mitana toerana ambony ao amin'ny minisiteran'ny Atitany no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana milamina nandritra ny Revolisiona Toniziana. Nanambara ihany koa izy fa fanahy iniana nosimban'ireo mpiasa-panjakana ao amin'ny minisitera ny antonta- taratasy manaporofo ny fiarahamiasa nisy teo amin'ny filoha Toniziana voahongana El Abidine Ben Ali sy ny sampam-pitsikilovana Isiraeliana, Mossad.

Miray fo amin'i Feriani ny vahoaka ary nosokajiana ho toy ny “Gadra voalohany noho ny foto-keviny” taorian'ny revolisiona toniziana izy. Hatramin'ny nitazonana azy, fihetsiketsehana sy fanentanana an-tserasera no nokarakaraina mba hitakiana ny famoahana azy tsy misy hatak'andro.

Noraisin'ny vahoaka an-kafaliana izany vaovao nanafahana an'Andriamatoa Feriani izany. Indreto fihetseham-po sasany tao amin'ny Twitter.

@yezzifokk:Ifikiro ny finoana : Afaka i Feriani #freeferiani #tunisia

@emnamejri:je suis très contente mm si une liberté provisoire mais c un bon signe #FreeFeriani

@emnamejri: tena faly aho na dia fahafahana vonjimaika fotsiny aza kanefa efa zavatra tsara izany #FreeFeriani

@omessaoud:La libération même provisoire de Samir #FERIANI est une excellente nouvelle #FreeFeriani

@omessaoud: Na dia vonjimaika fotsiny aza ny fanafahan'i Samir Feriani, dia efa tena vaovao tsara izany

Voampanga ho “nanohintohina ny fiandrianam-pirenena,” “nanao fanambarana ny nizara vaovao manohintohina ny filaminam-bahoaka,” i Feriani ary “niampanga tsy nisy porofo mpiasa-panjakana iray, nolazainy fa nanitsakitsaka lalàna.” Nafindra tao amin'ny fitsarana ady miaramila ny raharaha momba zy. Ary hotanterahina amin'ny 29 Septambra indray ny fitsarana azy.

Liliopatra nanoratra hoe:

Moment extraordinaire, le juge a prononcé la libération de Samir Feriani …mais attention ce n'est qu'une liberté PROVISOIRE ;le procès a été reporté au jeudi prochain 29 septembre 2011. […] Après 117 jours de détention à la caserne militaire de l'Aouina, Samir retrouve enfin sa famille, ses enfants, sa femme, ses proches et surtout sa mère qui a fondu le coeur de tous les braves tunisiens…

Fotoana miavaka, nanome fahafahana an'i Feriani ny mpitsara…kanefa tandremo fa fahafahana VONJIMAIKA ihany izany, nahemotra amin'ny Alakamisy heriny 29 Septambra ny fitsarana azy,  […]  Taorian'ny 117 andro nitazonana azy tao amin'ny toby miaramila l'Aouina, afaka nihaona tamin'ny fianakaviany, ny zanany, ny vadiny ary ny reniny ihany i Samir ary niray fo tamin'izany ny Toniziana mahery fo rehetra…

Na dia izany aza, dia mbola tsy mazava hatrany ny antony nitazonana an'Andriamatoa Feriani tany am-ponja nandritra ny telo volana mahery. Sameh nametraka ity fanontaniana ity

سمير علاش قعد في الحبس المدّة هذيكا الكلّ ياخي القانون اللي سمحلو يخرج اليوم ما كانس يسمح باش يخرجو البارح؟
Nahoana no nandany fotoana maro tany am-ponja i Samir? Araka izany, ny lalàna nanafaka azy androany tsy mba afaka nanafaka omaly ve?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.