Etazonia: Mivondrona Hampandroso ny Literatiora Latino-Amerikana ny Fivarotamboky Nomerika sy Andavanandro

La Casa Azul – fivarotam-boky an-tserasera izay tantanin'i Aurora Anaya-Cerda – no vao nilaza fa hiasa miaraka amin'ny fivarotam-boky vaovao miorina ao Washington Heights,  New York. Manana tanjona roa ny Word Up (@wordupbooks): Mampiely ny literatiora Latina Amerikana sy fivarotam-boky mahaleotena.

Tsy vitan'ny hoe nahazo loka matetika ny La Casa Azul, fa maro ihany koa ny asa goavana vitany. Ao amin'ny dinika nifanaovana tamin'ny Latina Book Club no anazavan'i Aurora fa efa hatramin'ny 2008 no manana boky – sy boky henoina – amin'ny teny anglisy sy espaniola ny sehatra nomerikany. Efa nikarakara vondrona famakiam-boky tao amin'ny Museo del Barrio, tanànan'i New York, ihany koa i Aurora, ary hatramin'ny nisokafan'ny vondrona dia afa-nifampitafatafa tamin'ny mpanoratra isan-karazany tao ny olona. Ny vahiny manokana amin'ny tafatafa manaraka  dia i Esmeralda Santiago izay hiresahany momba ny boky tantara noforonina vao navoakany Conquistadora.

Na dia somary hafa kokoa aza ny tantaran'Izao Tontolo Izao Mitsangana, dia tsy mampino ihany koa. Volana maromaro lasa izay i Veronica Liu mpiara-manorina ny Fractious Press sy ekipan'ny Seven Stories Press, no nihaona tamin'ny olona avy ao amin'ny Northern Manhattan Arts Alliance sy ny Vantage Residential hamakafaka amin'izay ahafahana manangana vondrona fivarotam-boky. Tratra izany tanjona izany.

Ny lahatsary manaraka avy amin'i ArtbyDJBoy no mampiseho ny aingam-panahy goavana dia goavana naterak'ity tahala ity :

Ampidirinay ihany koa ity rohy nobitsihana ity hanohanana ny vondrona ho tetikasa maharitra fa mbola vonjimaika manko izy izao.

Mahafinaritra tokoa ny fiarahan'ny fivarotam-boky roa tonta. Raha ny lazain'ny gazety fampahalalam-baovao an-tserasera Casa Azul, dia mamoaka vaovao amin'ny fiteny roa ao amin'ny gazety-boky The Rio Grande Review izay noforonin'ny mpianatra tia manoratra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Texas, ao El Paso izy. Azonao jerena ato ny kinova an-tseraseran'ny gazety-boky.

Azonao tsidihana avokoa ny fivarotam-boky roa tonta, na ny an-tserasera (nomerika) na ny tena misy andavanandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.