Feo avy amin'ny Tandrok'i Afrika (Etiopia) sy Sodàna: ny asan'ny vokovoko mena, ny fitongilanan'ny Tandrefana, ny tondron-kolikoly

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Manomboka ao Darfur ary miaraka amin'ny vaovao tsara ny fijerinay izay lazain'ireo bilaogera ao amin'ny Tandroky ny kaontinanta Afrikana sy Sodana. Sleepless in Sudan mitatitra fa nesorina ny fandraràna ny fifamoivoizana ara-barotra any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana antsoina hoe Kalma. Amin'ny teniny manokana:

“…there's some more good news from Kalma camp this week – the ban on ‘commercial traffic’ between the camp and Nyala town (which lies around 15km to the North-West of Kalma) is about to be lifted. The aid agencies who work inside Kalma camp have been struggling to get this result for months – since the governor of South Darfur first instituted the ban seven months ago, it has created a lot of problems for the people of Kalma camp.”

“… misy ny vaovao tsara hafa avy any amin'ny toby Kalma tamin'ity herinandro ity – nesorina ny fandraràna ny ‘fifamoivoizana ara-barotra’ eo amin'ny toby sy ny tanànan'i Nyala (izay manodidina ny 15km mankany avaratra-andrefan'i Kalma). Niady mafy ireo sampan-draharahan'ny fanampiana izay miasa ao amin'ny toby Kalma mba hahazo izany vokatra izany nandritra ny volana maro – hatramin'ny nametrahan'ny governoran'i South Darfur ny fandraràna fito volana lasa izay, niteraka olana marobe ho an'ny mponina ao amin'ny toby Kalma izy io.”

Saingy tsy tsara avokoa ny vaovao rehetra avy ao Darfur. Sudan: The Passion of the Present manatsonga ny tatitry ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena sy ny Volantsinana Mena (ICRC amin'ny teny Anglisy) izay milaza fa mbola faritra tsy milamina i Darfur:

“Over the past two weeks, armed clashes have occurred near Al Geneina (Western Darfur) and Gereida (Southern Darfur), where the situation remains precarious. ICRC operations in the west of Western Darfur remain suspended in the wake of recent security incidents that have targeted the organization and continue making it difficult for its staff to go about their work in safety.”

“Tato anatin'ny roa herinandro, nisy fifandonana mitam-piadiana nitranga tany akaikin'i Al Geneina (Darfur andrefana) sy Gereida (Darfur atsimo), izay mbola mijanona ho ratsy ny toe-draharaha. Mbola miato ny hetsiky ny ICRC any andrefan'i Darfur taorian'ny zava-nitranga ara-piarovana vao haingana nikendry ny fikambanana ary mbola mahatonga ny asan'ireo mpiasa ho sarotra.”

Toa mifantoka amin'ny governemanta mitondra ao amin'ny fireneny, sy ny tsy fankasitrahana maro ireo bilaogera Etiopiana. Toa tezitra amin'ireo firenena tandrefana i Ethiopundit ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Washington's Lethal Delusions of Stability” noho ny voalaza fa fitongilanan'izy ireo amin'ny antokon'ny fitondran'ny Praiminisitra Meles Zenaw izay tsy tian'i (Ethiopundit). Mbola tezitra mafy kokoa aza i Ethiopian Paradox tamin'ny governemantan'ny praiminisitra Zenawi tao anaty sombin-kevitra mampisaintsaina mitondra ny lohateny hoe “SOS Ethiopia: gadra politika 115.000 ao amin'ny toby famonjana amin'ny endrika Nazi“, izay milaza fa:

“Almost four weeks after the popular revolt in Addis Ababa in November of 2005 in which more than 100 people were killed according to human right groups, shocking news is slowly emerging indicating that more than 43,000 political prisoners have been detained in open air prisons (read Nazi-style concentration camps) in the Dedessa valley of South West Ethiopia”

“Efa ho efatra herinandro taorian'ny fikomiam-bahoaka tany Addis Ababa tamin'ny volana Novambra 2005 izay nahafatesana olona maherin'ny 100 araka ny filazan'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona, mipoitra tsikelikely ny ​​vaovao manafintohina, milaza fa gadra politika maherin'ny 43.000 no notanana amin'ny fonja ankalamanjana (vakio ny momba ny Toby famonjana endrika Nazi) ao amin'ny lohasahan'i Dedessa any atsimo andrefan'i Etiopia.”

Meskel Square mijery ny kolikoly any Etiopia, izay sambany tafiditra tao amin'ny Barometatra (Fandrefesana) Manerantany momba ny kolikoly Isan-taona an'ny Transparency International, ary toa gaga tamin'ny “tarehimarika avo tao anatin'ny sokajy sasany momba ny kolikoly” ho an'i Ethiopia. Mahita an'i Etiopia ho toy ny firenena tsy dia mpanao kolikoly ny mpanoratra ny Meskel Square raha oharina amin'ireo firenena Afrikana hafa, ary mbola mahita fitoniana ihany koa raha nampiseho ny tatitry ny Transparency International fa samy nanao fandrosoana tsara tamin'ny ady amin'ny kolikoly i Etiopia sy i Nizeria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.