Ny vehivavy afrikanina manoloana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2005)

Andro iraisam-pirenena ho amin'ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny 25 novambra ary manamarika ny fiandohan'ny 16 andro hikatrohana anoherana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny ankizy ,mandritra izany no nananganan'ny vehivavy sy ny fikambanany hetsika manerana izao tontolo izao mba hampitsahatra ny herisetra amin'ny vehivavy.

Misy vehivavy bilaogera sasantsasany manentana momba ity raharaha ity.

Manoratra momba ny ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana mikasika ny herisetra an-tokantrano izay ahitana tahiry nampanahy sy nanaitra ary nampahafantatra fa miparitaka kokoa noho ny fiheverana azy ny herisetra an-tokantrano i Black Looks . Manampy izy fa ny zava-misy ateraky ny herisetra mianjady amin'ny lahy sy ny vavy dia ny hoe “tsy misy firenena iray tsy misy ny fanararaotana” ary ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia tsy olana ho an'ny vehivavy ihany fa olana ho an'ny rehetra.

Na dia mino aza izy fa zava-dehibe ny manintona ny sain'ny olona ho amin'ny fanentanana manohira ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy, dia nanoratra i Bronwyn fa tokony hanao bebe kokoa, indrindra fa amin'ny alalan'ny fanentanana haino aman-jery maharitra, fialofan'ny vehivavy, programa eny an-kianja sy hetsika maro hafa manan-danja, ary mametraka fanontaniana manan-danja: inona no mitranga amin'ny andro faha-17, rehefa maty ny haino aman-jery ary rehefa mikisaka any amin'ny raharaha hafa ny polisy?

Manasongadina ny fifandraisana eo amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny fitomboan'ny aretina VIH i AfroFeminista, ary manipika ny herisetra ho “mametraka vehivavy sy zazavavy maro ho marefo eo anoloan'ny fifindran'ny VIH ary,miitatra mankany amin'ny ny lehilahy sy ny ankiry eto amin'ny fiainantsika”.

Mibilaogy lohahevitra olana hafa ihany koa ny vehivavy Afrikanina.

Satria mahatsapa izy fa tokony hanontaniana indray hatrany ireo heverina ho efa eo ampelatanana sahady amin'ny kolontsaina sy ny tokotanin-tsehatra ara-tsosialy, mamoaka ady hevitra momba ny fanambadiana laniandro sy fanambaniana vehivavy sy ny fanazavana tsara sy voasaina izay mahatonga azy hihevi-tena ho feminista i Helenism.

Taorian'ny fitsapa-kevitra vao haingana momba ny Lalàmpanorenana, naneho ny ahiahiny i Kenyan Pundit amin'ny tsy fisian'ny vehivavy tao amin'ny firenena nandritra ny fanentanana sy ny ny zava-misy fa nitarika ezaka fanentanana manohitra ny volavolan-dalàm-panorenana ireo mpikambana ao amin'ny ekipa laoranjy, izay mihevitra fa azo avela “haka ny tany manontolo” ny vehivavy sy ny filazana ireo zava-tsy marina hafa.

Gaga amin'ny fitomboan'ny vehivavy Afrikanina mitazona toerana ambony i Mama JunkYard  raha lasa filohan'ny Liberia i Johnson Sirleaf  ary nanambara fa ny firenena mivoatra toa ny Fanjakana Mitambatra dia” tokony hionona amin'ny filatsahan-daharana nivoaka ny 50 voalohany (19,8 % mametraka azy ireo ho lah faha-51) ary tokony hiatrika ny fisongonan'i Iràka (31.5%) sy i Tonizia”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.