· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2019

Ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana novambra 2005

  26 Mey 2019

Gbenga Sesan manohy ny tatitra avy any Tunis amin'ny "Nahazo ny tsiron'ny Nollywood tany Tunis izahay omaly". Nosakanana tsy hiditra amin'ny hotely izay toerana nanaovana ny fivorian'ny Fikambanan'ny Vehivavy Demaokraty Toniziana ao Tonizia (ATFD) i Gbenga sy ny vondrony.

Tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiswahili

  24 Mey 2019

Mwandani mitatitra ny Tondro Isan-taona momba ny Fahalalahan'ny Gazety manerantany (2005). Raha laharana faha-75 i Tanzania, dia misy kosa ireo firenena Afrikana tahaka an'i Benin, Namibia, Maorisy, sy Mali lasa alohan'i Etazonia (faha-44), izay nihemotra toerana 20 tamin'ity taona 2005 ity.

Andron'ny Bilaogy 2005

Nalaza tao amin'ny tontolon'ny bilaogy maneran-tany ny andron'ny bilaogy 2005. Nanampy pejy misy ireo lahatsoratra manan-danja ao amin'ny Technorati isan'ora ny andron'ny fankalazana, izay mandrisika ny bilaogera mba hanolotra bilaogy dimy vaovao avy amin'ny kolontsaina na fomba fijery vaovao hafa ho an'ny mpamaky azy ireo.

Andron'ny Bilaogy 2005

Mandritra ny fotoana lavalava amin'ny 31 Aogositra, handefa soso-kevitra amin'ny blaogy dimy vaovao, tsara raha bilaogy tsy mitovy kolontsaina, fomba fijery sy fihetsika amin'ny tena ireo bilaogera manerana izao tontolo izao. Amin'izany andro izany, dia hahita ireo mpiserasera bilaogera fa niditra sy nahita bilaogy vaovao sy tsy fantatra.

Fitsidihana ny bilaogy Kenyana

  19 Mey 2019

Nanjaka tamin'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana sy ny vondrom-piarahamonina antserasera Kenyana nandritra ny andro vitsy lasa i Lucy Kibaki, vadin'ny filoham-pirenen'i Kenya, indrindra taorian'ny tehamaina izay re manerana izao tontolo izao.