(Marihina fa tamin'ny 25 Janoary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny tselatra ilay fiaramanidina ka nianjera tany an-dranomasina.
Namerina nisioka ny fanatreha-maso izany i @tsepeaces ary nilaza hoe:
RT @patrickgaley: Eyewitness Naame “We saw an explosion in the sky like the sun, it was there for seconds then vanished into darkness”#ET409
RT @patrickgaley: ny anaran'ny nanatri-maso “Nahita fipoahana teny amin'ny lanitra izahay tahaka ny masoandro, nandritra ny segondra vitsy teo ary nanjavona tao anatin'ny haizina”
Nisioka ihany koa izy :
The plane was a ball of flame for a second – these are haunting words :-/ #ET409 May they all Rest in Peace!
Toy ny lelafo tao anaty segondra ilay fiaramanidina- teny tsy hay adinoina izany: Enga anie handry am-piadanana avokoa izy ireo !
Nanamarika ny lehilahy Libaney iray izay namoy ny namany miisa 10 tao anatin'ilay fiaramanidina i Patrick Galey, mpitati-baovao ao amin'ny Daily Star sady bilaogera ao amin'ny Huffington Post :
Fouad Shihab, 10 friends on board: “I was meant to be on that plane and look what happened. All my friends are dead.”
Fouad Shihab, namana miisa folo tao anaty fiaramanidina: “Tokony tao anatin'ity fiaramanidina ity aho ary nijery ny zava-nitranga. Maty daholo ny namako. “
Nanoratra izy tao anatin'ny sioka iray teo aloha hoe :
Just returned from Rafiq Hariri airport, scenes there are terrible. No information, spoke with people who have lost entire family
Nampalahelo ny zava-nisy tao amin'ny seranam-piaramanidina Rafiq Hariri raha vao niverina avy tany aho. Tsy mbola nisy ny torohay, niresaka tamin'ireo olona izay namoy ny fianakaviany manontolo
Nanoratra i Hichame Assi (@hiconomics) hoe:
Very sad to hear about #ET409… I hope it's as painless as possible to all family and friends. Allah Yer7am (May God have mercy on them)
Tena mampalahelo ny mandre momba ny # ET409 … Mino aho fa hatanjan-tsaina araka izay azo atao ny fianakaviana sy ny namana rehetra. Allah Yer7am (Andriamanitra anie hamindra fo amin'izy ireo)
Tsy gaga loatra i Georges Azzi , izay nanaraka ny fitantarana tao amin'ny fahitalavitra, ary nisioka hoe:
Lebanon: too many TV Stations= too much airtime #et409 #coverage switching into sensational and fictional mode #fail
Libanona : maro loatra ny fahitalavitra #mitantara ny #et409, nivadika tamin'ny lafiny mampihetsi-po sy foromporonina.
Naneho ny fahatezerany tamin'ny fampahalalam-baovao Libaney ihany koa i Samer, izay nisioka ny @meetsamer ary nilaza hoe:
Lebanese media has no decency or any sense of ethics, they're already referring to the missing ppl as “dead” #ET409 #Lebanon
Tsy manana fahamendrehana na mampiasa ny etika ny fampahalalam-baovao Libaney, efa nolazain'izy ireo sahady fa “maty” ireo tsy hita popoka
Nizara ny fihetseham-po nitovy tamin'izany i Amer Tabsh (@arzleb) ary nanoratra hoe:
LBC (Lebanese Broadcasting Corporation) analysis of the #ET409 is very stupid and wrongful #fail
Tena mampihomehy sy diso ny fanadihadiana nataon'ny LBC (Libanese Broadcasting Corporation) momba ny # ET409
Nizara ny laharana hotline ihany koa izy ho an'ny torohay sy ny fanadihadiana momba ilay fianjerana:
Hotline 71207326 for info & inquiries by the Victims families / Hotline 1701 to inform of any wreckage of bodies sighting #ET409 #Lebanon
Ny laharana hotline 71207326 ho an'ny torhay sy ny fanadihadiana nataon'ny fianakavian'ireo niharam-boina/Hotline 1701 ho an'ny fampahafantarana ny vaovao raha misy ny mahatsikaritra ireo razana
Mandritra izany fotoana izany, taitra tamin'ny vaovao i Tala ary nisioka hoe:
25 bodies have been taken out of the water, 2 of them were children. And they hardly identify any of them. R.I.P #ET409
Vatana mangatsiaka miisa 25 no nesorina tao anaty rano, ankizy ny 2 tamin'izy ireo. Ary sarotra tamin'izy ireo ny namantatra azy ireo. Mandria am-piadanana.
Nisioka ihany koa i Cal Perry tao amin'ny CNN, ary nilaza tao anatin'ny hafatra iray hoe:
Such a sad day #et409 – tomorrow we'll try to get down to the beach. Tonight's piece from the airport. PM Hariri trying his best to console
Tena andro mampalahelo – hiezaka ny hidina eny amoron-dranomasina isika rahampitso. Nisy sombintsombiny tao amin'ny seranam-piaramanidina tamin'ity hariva ity. Nanao izay afany ho fampiononana ny Praiminisitra Hariri
Nihorohoro i Nathan Redd ary nanoratra hoe:
I seriously cannot concentrate on anything today. #ET409 is the only thing on my mind today. My heart is broken.
Tena tsy nahavita nifantoka tamin'ny zavatra nataoko aho androany. Ny ET409 foana no tao an-tsaiko androany. Vaky ny foko.
Ary namintina ny tontolo andro i @nightS sy nilaza hoe:
It's a very sad and horrible day 🙁 #ET409
Andro mampalahelo sy mampivarahontsana ny androany 🙁 # ET409