Hosoka , Fandrahonana ary Famoretana : Tsy Hita Tabilao ny Fifidianana ao Repoblika Demaokratikan'i Congo
Raha miezaka ny hikiry eo amin'ny fitondrana amin'ny alalan'ny hery ny fitondrana roa taona izao, miezaka ny hanaisotra ny firenena amin'ny krizy kosa ny fanoherana sy ny firaisamonina iraisampirenena, amin'ny fanerena ny fioha Kabila hanaiky hikarakara ny fifidiannaa filohampirenena.
Hiharatsy ve ny toe-draharaha ao RDC ? Izany no ahian'ny mpamakafaka maro rehefa tsy mety manaiky hiala amin'ny fitondrana i Joseph Kabila. Fitarazohana ara-politika ampangain'ny mpanohitra misedra rivotra, mihamavitrika, araka ny asehon'ny diabe notontosaina tamin'ny 25 febroary lasa teo, notarihan'ny Comité laïc de coordination (CLC) na ny Komitim-Pandrindrana Lahika nanerana ny araben'i Kinshasa. Notohanan'i Moïse Katumbi manao sesintany ny tenany any Bruxelles izany diabe izany, ary niantsoany ny Kôngôley “mandala ny rariny sy ny fandriampahalemana” hanatevin-daharana izany hetsika izany.
Nisy diabe milamina sy niarahan'ireo antokom-pivavahana maro tratran'ny famoretana henjana indray avy eo : olona telo no voatifitry ny mpitandro ny filaminana. Zaza manavava iray no ahiana ny ainy noho ny nifohany etona mandatsa-dranomaso. Akanjo mainty no nanaovan'ny vehivavy tamin'ny 8 Marsa ho “fanajana ireo maritioran'ny demaokrasia, nazeran'ny balan'ny polisin'i Kabila”.
Fitondrana mandany fotoana
Mampitombo hatrany ny fihetsikesehana ny mpanohitra. Nilaza ny mpitondrateniny, Lambert Mende, fa efa akaiky ny fanendrena ny kandidàn'ny maro an'isa amin'ny jolay 2018. Nefa tsy tena mazava izay nolazain'ny teo amin'ny fitondrana. Niverina tamin'ny teniny teo aloha i Lambert Mende tamin'ny fiandohan'ny febroary ary nanazava tamin'ny mpanao gazety iray :
Je n'ai pas dit qu'au mois de juillet le président Kabila va se choisir un dauphin. J'ai plutôt déclaré que conformément au calendrier électoral, au mois de juillet, nous allons connaître les différents candidats.
Tsy nilaza aho hoe hanondro izay handimby azy ny filoha Kabila. Nilaza kosa aho fa araka ny tetiandrom-pifidianana dia ho fantatsika ireo kandidà isan-karazany amin'ny volana jolay
Raha niverimberenana nanontaniana isaky ny manao fivoahana ofisialy ny filoha Joseph Kabila, dia tsy nety namaly mihitsy ny fanontaniana amin'izay mety hirotsahany ho kandidà ary toa tiany mihitsy aza ny mitazona ny tsiambaratelo.
Nandritra ny fotoana iray hafahafa sy maneho zavatra iray izay aza ny filoha dia nametraka ny fanondrony tamin'ny molony rehefa nanontanian'ny mpanao gazetin'ny RFI tamin'io raharaha io. Toa mampihevitra izy fa milalao ora ny filoha, ary manangona ireo mpiara-dalana aminy.
Saingy mamela azy tsikelikely ireo mpanohana iraisampirenena ary mihamafy ny tsindry. Miantso ny hampiatoana ny fiaraha-miasa amin'ny manampahefanan'ny firenena ny ONG (FTMF) maro, miantso an'i Frantsa sy ireo firenen-kafa. Vao haingana izay no nanapaka ny fifandraisan'ny i Congo aminy i Belzika, izay mifandray ara-tantara amin'i RDC sy i Congo. Nandrotsa-bato ny Parlemanta eoropeana, tamin'ny tapaky ny volana janoary, hitaky amin'i Kabila ny fikarakarana fifidianana demaokratika ary nisy fikambanana maro, notohanan'ny Parlemanta Eoropeana, nametraka fanangonan-tsonia mangataka amin'ny Fitsarana Adiheloka Bevava Iraisampirenena hanokatra famotorana noho ny herisetra nataon'ny fitondrana tao amin'ny faritr'i Kasaï.
Vato elekitrônika, ahiana ho fangalaram-bato
Vao haingana ny ambasadaoro amerikana ao Kinshasa no nilaza ny fanahiany hahita ny fifidianana, raha ho tontosa ihany, hisy fangalaram-bato amin'ny alalan'ny fampiasana milina fandrotsaham-bato elekitrônika. Hoy ilay diplaomaty nanazava hoe:
Utiliser ces nouvelles technologies pour une élection aussi cruciale constitue un risque énorme,
Mety hampidi-doza ny fampiasana ireny teknolojia vaovao ireny amin'ny fifidianana iankinan'ny ain-dehibe tahaka itony.
Maro amin'ireo mpandinika tokoa no miahiahy fa hotarihan'ny fitondrana araka izay itiavany azy ny fifidianana. Nanambara i Jean-Pierre Lacroix, lehiben'ny hetsika fitandroana ny filaminana ao amin'ny Firenena Mikambana :
« Le gouvernement doit prendre des mesures pour ouvrir un espace de discussion politique et créer un environnement qui permettra une élection crédible, libre, honnête, et transparente »
Tsy maintsy mandray fepetra ny governemanta hanokafana seha-pifanakalozan-kevitra politika sy manangana tontolo ahafahana manatontosa fifisianana azo inoana, malalaka, marina ary mangarahara
Tamin'ny Topimaso fanaony isantaona momba ny heloka an-tserasera ny CLUSIF no niampanga fiakaran'isan'ny fanaovana hosoka sy fisovohana ara-pifidianana manerana izao tontolo izao tamin'ny taona 2017. Nampitandremany ireo andrim-panjakana iraisampirenena amin'ny tsy maintsy hampivoarana ireo seha-panaraha-maso antonona sy sahaza amin'izay mety ho fandrotsaham-bato elekitrônika.
Ahiana mafy tokoa ny mety hibolisaran'ny fifidianana. Indrindra moa fa efa zatra amin'ny fanao tahaka izao ny fitondrana. Lasibatra tamin'izany ireo ONG (FTMF) miisa valo ao Haut-Katanga. Ampangainy ho miray tsikombakomba amin'ny eo amin'ny fitondrana ireo orinasam-pifandraisandavitra ka manapatapaka hatrany ny aterineto « noho ny antony ara-politika ». Nosakanana ohatra ny fidirana aterineto sy SMS tamin'ny 20 janoary lasa teo, andro iray alohan'ny fihetsiketsehana anti-Kabila iray nokarakarain'ny Komitim-Pandrindrana Lahika (CLC).
Tsindry atao amin'i Moïse Katumbi
Ankoatra ireo famoretana ny fihetsiketsehana, izay matetika arahin'herisetra, tahaka ireo mpanohitra miisa enina matin'ny tifitry ny polisy tao Kinshasa tamin'ny 21 janoary lasa teo, dia manafika hatrany ireo mpitarika ny mpanohitra ny eo amin'ny fitondrana, ary lasibatra lohalaharana amin'izany i Moïse Katumbi.
Voatery nanao sesitany ny tenany tany Eoropa izy rehefa naratran'ny herisetran'ny polisy nandritra ny fitsarana politika iray, nomelohina higadra 36 volana izy avy eo ary voasazy ho tsy azo fidiana noho ny raharaham-pangalaram-pananana mifaka iray (trano na tany) izay heverina fa misy fanaovana lasibatra manokana.
Fananjehana ara-pitsarana nobaikoan'ny filoha mihitsy, araka ny mpitsara Ramazani Wazuri. Nanamafy ihany koa ilay vehivavy mpitsara nanonona ny fanamelohana fa norahonana ara-batana sy ara-tsaina izy. Iza no nanao izany ? Ny solontenan'ny fitondrana, indrindra fa i Kalev Mutond, ilay lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Manao sesitany ny tenany any Eoropa amin'izao fotoana izao io vehivavy mpitsara io ary eo ambany fiarovan'ny FIDH.
Tiam-bahoaka sady kandidà notendren'ny vondron'antoko mpanohitra miisa fito, mitana ny lohalaharana eo amin'ny fitsapan-kevitra i Katumbi. Miezaka ny manao tsindry iraisampirenena an'i Kabila avy ao Londres, Paris ary Bruxelles amin'izao fotoana izao ity governoran'i Katanga teo aloha ity.
Hiankinan'ny ain-dehibe ireo volana ho avy ireo. Hanaja ny tetiandrom-pifidianana napetraka ve i Kabila ? Hapetraka araka ny tokony ho izy ve ny fikarakarana fifidianana demaokratika marina ? Ho afa-mirotsaka tsy misy ahiahy amin'ny fifidianana ve i Katumbi ? Fanontaniana ireo izay hamaritra ny hoavin'i RDC amin'ny taona maro hoavy ny valiny.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...