· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2017

Etiopia: Mampiasa Ny Haino Aman-Jery Vaovao Mba Hiantohana Fifidianana Malalaka Sy Madio Ireo Mafàna fo

  18 Desambra 2017

Raha eo ampikononkononana amin'ny fifidianana parlemanatera hatao ny 23 May 2010 ny etiopiana, dia misy fikambanana anankiroa mampiasa ny haino aman-jery vaovao mba hiantohana ny fifidianana malalaka sy madio. Ny tambajotran-tranonkala Facebook no ampiazanin'ny Ethiopia CommonBorders, fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina, ho isan'ny fanentanany amin'ny aterineto raha toa ka ny sehatra mifototra amin'ny haba-tranonkala hanangonana sy hijerena ny torohay momba ny fifidianana amin'ny sarintany no ampiasain'ny Ethiopia Vote Monitor.

Skypecast #2 Miaraka Amin'i Sokari Ekine

  17 Desambra 2017

Tena lafatra ny fahenoana, mandra-pahatongan'ilay fahatapahana tampoka. Ary hamerina an'i Sokari tsy ho ela eo amin'ny fifandraisana izahay mba hanohizana ny resadresaka. Eo ampiandrasana, manolotra blaogy vitsivitsy i Sokari ho an'ny mpanangona ato amin'ny Global Voices... sy ho an'ireo izay mitady ireo feo mampientanentana avy ao Afrika.

Clark Boyd Mitafa Amin'i Sokari Ekine

  13 Desambra 2017

(Fanamariahana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2005) Noraketin'ny namanay Clark Boyd – mpandefa rakipeo no sady mpanangona vaovao ho an'ny fandaharana The World ao amin'ny BBC/WGBH  – ny mombamomba ilay namanay iray Sokari Ekine, nanorona ilay bilaogy Black Looks . Niainga avy any ambanivohitr'i Espaina i Clark ary tonga nitsiika an'i Sokari...