Jereo Mivantana Ny Vovonana Global Voices 2012!

(Fanamarihana: tamin'ny 3 Jolay 2012 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Global Voices Citizen Media Summit 2012 - Nairobi, Kenya. July 2-3Nisokatra tany Nairobi, Kenya (2-3 Jolay) ny Vovonana Global Voices 2012. Satrinay raha niaraka taminay tany ianareo kanefa afaka mijery ny lahatsary mivantana sy miresaka mivantana aminay ianareo raha tsy afaka nanatrika izany .

Nahitana mpandray anjara miisa 300 avy amin'ny firenena miisa 60 ity hetsika ho an'ny daholobe ity, bilaogera sy mpankafy ny fampitam-baovaon'ny olom-pirenena, 18 ka hatramin'ny 76 taona ry zareo. Ny hitrandraka ny maha-zava-dehibe sy ny lanjan'ny fampitam-baovaon'ny olom-pirenena antserasera manerana izao tontolo izao no tanjon'ny Vovonana .

Jereo ny bilaogin'ny Vovonana, ny fandaharam-potoana, ny tenirohy Twitter #GV2012, ary mazava ho azy ny lahatsary etsy ambany. Mizara roa ny ampahany sasany tamin'ny fandaharana ary azonao atao ny mijery ny tranonkalan'ny Vovonana misy ny pejin'ny lahatsary amin'ny fifidianana ireo lahatsary mivantana.

Zarazarao!

Manana sary mivantana nohavaozina ihany koa isika ao amin'ny Flickr:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.