Fanangonan-tsonia Ho Famotsorana Ilay Lehilahy Eritreana Izay Nosamborina Tany Italia Noho Ny Mari-panondroana Diso

Ny fahatongavan'ilay voalaza fa mpanondrana olona an-tsokosoko tamin'ny volana Jona 2016. Sary tao amin'ny  altreconomia.it.

Nilaza ity lehilahy iray 29 taona ity fa Medhanie Tesfamariam Behre no anarany ary efa herintaona sy tapany izy izay no niatrika fitsarana tao Palermo  noho ny fanondranana olona an-tsokosoko. Resaka fahadisoana mikasika ny mari-panondroana diso no nahatonga ny raharaha, nosamborin'ny manampahefana izy satria noheverin'izy ireo ho Medhanie Yehdego Mered, izay antsoina hoe “Ilay Jeneraly”, ilay atidoha ao ambadiky ny fanondranana olona an-tsokosoko any Mediteranea nandritra ny taona vitsy lasa izay.

Nikaroka an'i Mered ny manampahefana Italiana hatramin'ny nitrangan'ny loza naharendrehan'ilay sambo Lampedusa tamin'ny 3 Oktobra 2013, izay nahafatesana olona miisa 368 ary 20 hafa raha kely indrindra no tsy hita popoka.

Voasambotry ny polisy Sodaney tamin'ny volana May 2016 tao amin'ny trano fisotroana kafe Asmara tao Khartoum, Sodana i Behre , taorian'ny fanadihadiana iraisam-pirenena naharitra izay nataon'ny sampam-pitsikilovana Italiana, Anglisy ary Sodaney. Nalefa tany Italia tamin'ny sidina manokana izy tamin'ny 7 Jona 2016.

Anisan'ireo mpanao gazety nanaraka ny raharaha i Stefano Colombo, mpanoratra ao amin'ny thesubmarine.it. Tao amin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny 13 Novambra, dia nizara ny zavatra hitan'i Lorenzo Tondo izy, mpanao gazety avy ao Palermo izay nanaraka ny raharaha ho an'ny The Guardian.

Mi occupo di questa cosa da un anno e mezzo, da quando c’è stato lo scambio di persona,” ci racconta, “doveva essere l’arresto del peggior trafficante di uomini, ma già appena l’abbiamo visto all’aeroporto ci siamo resi conto che con Mered non c’entrava un cazzo.”

[…]

Si scopre poi che mentre la procura di Palermo dava la caccia a Mered, questo — il vero trafficante! — era in carcere a Dubai per una questione di passaporti falsi. Ecco spiegato il suo silenzio totale sui social media. “È tornato in libertà ad agosto 2016,” ci conferma Tondo. Berhe, invece, è ancora in carcere, e non sembra che potrà tornare in libertà a breve. Finora il processo ha cambiato 4 volte giudice, e secondo la legge italiana, ogni volta che il giudice cambia, il processo va rifatto da capo.

“Nanaraka ity raharaha ity aho nandritra ny herintaona sy tapany,” hoy izy “noheverina ho fisamborana ilay mpanondrana olona an-tsokosoko goavana indrindra, kanefa raha vao hitanay izy tao amin'ny seranam-piaramanidina dia fantatray fa tsy misy ifandraisany tamin'i Mered izany.”

[…]

Raha nihaza an'i Mered ny Tribonaly tao Palermo, ilay tena mpanondrana olona an-tsokosoko kosa nigadra tao Dubai noho ny pasipaoro sandoka. Manazava ny fahanginany tanteraka ao amin'ny media sosialy izany. “Noafahana izy tamin'ny volana Aogositra 2106,” hoy i Tondo nanamafy. I Berthe kosa mbola any am-ponja ary toa tsy hivoaka vetivety. Nanova mpitsara inefatra ny fitsarana. Araka ny lalàna Italiana,  tsy maintsy manomboka hatramin'ny voalohany indray ny fitsarana isaky ny miova ny mpitsara .

Tamin'ny 4 Jolay, nanambara  ny tranokalam-baovao newsicilia.it  fa nanolotra vavolombelona roa ny mpiaro, izay manana fialokalofana any Soeda ankehitriny, ary nanamafy sy nilaza fa tsy i Mered ilay lehilahy voasambotra .

Fonte: eritrea-chat.com

Fonte: eritrea-chat.com

Oggi, però, ci sarebbero i due testimoni pronti a dimostrare che Mered non sarebbe il latitante ricercato da due anni. Ma un giovane di nome Mered Tesfamarian. Come anticipa il giornale britannico The Guardian, uno dei due testimoni sarebbe Ambesyer Yeman, 23 anni, rifugiato eritreo, arrivato in Italia con l’organizzazione di Mered nel 2013.

“Non conosco il ragazzo che hanno arrestato, l’ho visto nella foto di un articolo pubblicato su Facebook, e ho detto immediatamente: ‘Ma questo non è Mered”, ha detto il ragazzo.

Ankehitriny, misy vavolombelona roa vonona ny hijoro vavolombelona fa i Mered dia tsy ilay mpanao heloka bevava notadiavina nandritra ny roa taona mahery, fa ilay tovolahy atao hoe Mered Tesfamarian. Araka ny tatitra nataon'ny Guardian, i Ambesyer Yeman, 23 taona, mpitsoa-ponenana Eritreana tonga tany Italia niaraka tamin'ny fikambanana Meted tamin'ny taona 2013 no iray amin'ireo vavolombelona roa.

“Tsy fantatro ilay lehilahy nosamborina. Nahita ny sariny tao amin'ny Facebook aho ary nilaza avy hatrany hoe: ‘Tsy i Mered io’, hoy ilay tovolahy.

Fanampin'izany, nanambara tao amin'ny pejiny Facebook i Tondo fa nandrakitra ny iray tamin'ny resaka nataony ny mpampanoa lalàna Italiana. Nahazo mpijery maro sy ekeko mihoatra ny 500 ny lahatsorany.

Ieri è successa una cosa davvero spiacevole. Una cosa che in Italia, nella mia categoria, è considerata oramai pericolosamente ‘’normalità’’, ordinaria amministrazione, un ‘’incidente di percorso’’ come tanti altri: la procura di Palermo ha intercettato alcune mie conversazioni con una fonte, un ragazzo eritreo che mi aiutava anche come interprete nelle interviste in tigrino sul ‘’Caso Mered’’, il clamoroso scambio di persona di un rifugiato arrestato per errore perché ritenuto essere un trafficante di uomini. 

Nisy zavatra nampalahelo nitranga omaly. Zavatra iray nitranga tao Italia, tao anatin'ny sokajin'asako, izay heveriko ho “nôrmaly” mampidi-doza, afera tahaka ny mahazatra, hadisoana toy ny maro hafa. Nihaino ny sasany tamin'ireo resaka nifanaovako tamin'ny loharanom-baovao iray ny mpampanoa lalàna tao Palermo, tovolahy Eritreana iray izay nanampy ahy tamin'ny antsafa momba ilay raharaha “Mered,” ny hadisoana tamin'ny mari-panondroana momba ilay mpitsoa-ponenana nosamborina satria noheverina fa mpanondrana olombelona an-tsokosoko izy.

Mampanontany tena ny teknika fanadihadiana toy izany hoe tena mitady ilay tena meloka tokoa ve ny fitsarana Italiana sa manondro izay atao sorona fotsiny ihany mba hamaranana ny raharaha.

Mba hanaovana ezaka azo tsapain-tanana momba ity tantara ity, i Abdoulaye Bah, mpanoratra ity lahatsoratra ity, izay tohanan'ny vondrona mpikatroka , mpamaky sy manam-pahaizana maro, dia nanomboka fanangonan-tsonia ary mangataka anareo izahay mba hanao izany sonia izany:

Liberate Medhanie Tesfamariam Behre, il falegname eritreo, in carcere per omonimia (Petizione su Avaaz)

Avotsory i Medhanie Tesfamariam Behre, mpandrafitra Eritreana any am-ponja noho ny mari-panondroana diso (fanangonan-tsonia ao amin'ny Aavaaz)

Chiediamo che venga rilasciato immediatamente e che l’Italia ammetta il proprio errore pubblicamente, presenti le proprie scuse a Medhanie Tesfamariam Behre.

Mangataka mba hamotsorana avy hatrany an'i Medhanie Tesfamariam Behre izahay ary mba hanaiky ampahibemaso ny fahadisoany miaraka amin'ny fialantsiny i Italia .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.