Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria

Fitohanan'ny fiara tao Lagos, Nizeria. Sary tamin'ny taona 2008, avy amin'ny BBC World Service. CC BY-NC 2.0
Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany hankalaza ny Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.
Ho an'ny sasany, naharitra hatramin'ny maraimben'ny 25 Desambra ny fiandrasana satria mpamily an'arivony no nilahatra tao amin'ny tobin-dasantsy nanantena hody ara-potoana mba hankalaza ny noely. Nampiato ny asany ho an'ny taona mihitsy aza ireo orinasam-pitaterana sasany, raha nampiakatra ny saran-dalana hatramin'ny 300% kosa ny hafa. Loharanon'ny fahasorenana ao amin'ny firenena izay manana fomban-drazana mafonja amin'ny fiarahana amin'ny fianakaviana amin'ny Krismasy izany.
Nampiseho ny filaharana tao an-tanànan'i Abuja ny lahatsary navoakan'i @i_am_Anomeli tao amin'ny Twitter:
Conoil Filling Station, Opp NNPC Towers, CBD, Abuja
24/12/2017
15:16 hrsJust watch. No comments necessary pic.twitter.com/j58bcgYojd
— Igala_Alan_Shore (@i_am_Anomeli) 24 de diciembre de 2017
Tobin-dasantsy Conoil Filling, Opp NNPC Towers, CBD, Abuja
24/12/2017
15:16 hrsJereo fotsiny. Tsy ilaina ny fanehoan-kevitra
Niresaka am-pahibemaso voalohany momba ny tsy fahampian-tsolika goavana naharitra telo herinandro taorian'ny nanombohany, nilaza ny filoha Nizeriana Muhammadu Buhari hoe:
The fuel scarcity being experienced nationwide is regrettable. I sympathize with all Nigerians,on having to endure needless fuel queues. I'm being regularly briefed, especially on the NNPC's interventions to ensure that there is enough petrol available during this period & beyond
— Muhammadu Buhari (@MBuhari) December 24, 2017
Mampalahelo ny tsy fahampian-tsolika iainana manerana ny firenena. Miray fo amin'ny Nizeriana rehetra aho, ny amin'ny tsy maintsy hiaretana filaharana solika. Ampahafantarina tsy tapaka aho, indrindra mikasika ny firotsahan'ny NNPC an-tsehatra mba hiantohana fa ampy ny solika mandritra ity fotoana ity sy ny aorian'izany.
Milaza ny orinasam-panjakana momba ny solika izany NNPC izany.
Saingy haingana avy hatrany ireo mpitsikera nilaza fa nilatsaka taorian'ny hafatra navoakan'i Atiku Abubakar, filoha lefitra nandritra ny fitantanana teo aloha sy mety ho mpifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena Nizeriana amin'ny taona 2019 ny fanambaran'i Buhari:
My heart goes out to everyone struggling to see their friends and families during this season of celebration due to the #fuelscarcity and I am confident that as we unite as a nation we can find a solution to this crisis.
— Atiku Abubakar (@atiku) December 24, 2017
Any amin'ny tsirairay izay mitolona mba hahita ireo namany sy fianakaviany mandritra ity fotoana fankalazana ity noho ny #tsy fisian'ny solitany ny tenako ary matoky aho fa rehefa miray hina isika amin'ny maha firenena iray antsika, dia afaka mahita vahaolana amin'ity krizy ity.
Nihevitra kosa ny sasany fa ny fanambaran'ny filoha dia nateraky ny sioka nalefan'ny mety ho mpifaninana aminy.
Buhari tweeted about fuel scarcity for the first time today, few hours after Atiku tweeted…
— Mr COKER⌚ (@kingroyce01) December 24, 2017
Nisioka mikasika ny tsy fisian'ny solika ankehitriny i Buhari, ora vitsy taorian'ny siokan'i Atiku …
OBSERVATION: @MBuhari released a Christmas Message to Nigerians just yesterday without mentioning the raging fuel scarcity. What suddenly changed between then and now?
QUESTION: If @atiku Abubakar had not tweeted about it this morning, would Buhari have spoken about it today?— Fisayo Soyombo (@fisayosoyombo) December 24, 2017
TSIKARITRA: namoaka Hafatra Krismasy ho an'ny Nizeriana vao omaly i @MBuhari ary tsy nilaza ny tsy fisian'ny solika mahatezitra tokoa. Inona no niova tampoka teo anelanelan'ny teo sy ny amin'izao fotoana izao?
FANONTANIANA: Raha tsy nisioka momba izany i @atiku androany maraina, moa niresaka momba izany ve i Buhari androany?
Ao anatin'ny krizy, nanaporofo ny mponina sasany ao Nizeria, toerana iray voalaza fa be fanantenana indrindra eto an-tany, fa fantatr'izy ireo ny ny fomba hijanonana ho faly. Mpisera Twitter Jude kosa nizara ity avy ao amin'ny tobin-tsolika ao Lere, tanàna iray ao amin'ny firenena avaratr'i Nizeria:
The average Nigerian is a happy-go-lucky chap. I'm at this gas station in Lere, and some1 just hollered ‘merry Xmas’ from middle of the queue, brings out a crate of beer from trunk and begins to hand out a can to every1. Na here we go turn up 2day
— JustJude (@egbas) December 25, 2017
Faly-faly hatrany ny Nizeriana saranga antonony. Ato amin'ity tobin-tsolika ao Lere ity aho, ary nisy olona nitabataba hoe ‘tratry ny Krismasy’ tao anatin'ny filaharana, namoaka labiera avy ao anaty baoritra sy nanomboka nizara boatin-dabiera ho an'ny tsirairay. Eto izahay mandritra ny 2 andro
Na izany aza, tsy ny rehetra no toa faly. Betsaka ny olona tezitra, ary ny sasany namoaka sary-sy-soratra (PMB, manondro ny filoha Buhari):
This is the 3rd fuel scarcity under Buhari in 2 1/2 years. First one was in Sept-December 2015. For 3 months Nigeria suffered but PMB didn't blink. Second one was in April/May 2016 which he cunningly increased fuel from N87 – N145 and now December 2017. Buhari and #fuelscarcitypic.twitter.com/hjw70oeshJ
— Matthew Ottah™ (@MatthewOttah) December 22, 2017
Ity no tsy fisian'ny solika faha-telo teo ambany ny fitantanan'i Buhari tao anatin'ny roa taona sy tapany. Ny voalohany dia tamin'ny Sept-Desambra 2015. Nijaly nandritra ny 3 volana i Nizeria saingy tsy ni-pimaso i PMB. Ny faharoa dia tamin'ny Aprily / May 2016 izay nampitombo ny vidin'ny solitany N87 – N145 izy ary ankehitriny ny volana Desambra 2017. Buhari sy ny fahavitsian'ny solitany #fuelscarcity
President @MBuhari doesn't give a damn about #FuelScarcity#EndSARS or whatever else those who elected him are crying about. The same man who understood what fuel queues cost in terms of man-hours a few years ago can't even be bothered to explain why this is happening now!
— JJ. Omojuwa (@Omojuwa) December 23, 2017
Tsy miraharaha ny tsy fisian'ny solitany #FuelScarcity#EndSARS ny filoha @MBuhari ary mitomany ireo izay nifidy azy. Tsy mba nisahirana akory nanazava ny anton'izao zava-mitranga ankehitriny izao akory ity lehilahy ity izay mahafantatra tsara ny vola very amin'ny filaharana solitany noharina tamin'ny resaka ora fiasàna, taona vitsivitsy lasa izay!
The Buhari Christmas Carol #NoFuel cc @akaebube@Amaka_Ekwo@GarShehu@akandeoj@DigiCommsNG@AsoRock@MBuhari@ProfOsinbajo@IbeKachikwu@NNPCgrouppic.twitter.com/Fiwwoktn1m
— SIGNAL (@thesignalng) December 24, 2017
Ny Hira Krismasy an'i Buhari
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...