Tojo Fehizoro, Malagasy mpibilaogy iray, namoaka sombin-taratasy (netezana avy amin'ny gazety malagasy iray teto an-tanindrazana) mamehy ny fandaniana kely indrindra ho an'ny ankohonana malagasy iray misy olona efatra ka ankizy ny roa amin'izy ireo, 10 taona sy 7 taona avy. Avoakan'ilay sombin-taratasy lisitra ny
fandaniana sy ny anton'izany tsirairay [mg] ary ny fitambaran'ny karaman'ny ray aman-dreny:
Tetibolan'ny fianakaviana misy olona efatra eto Madagasikara – nahazoana alalana
Fidiram-bola Isam-bolana
- Karama isam-bolan'ny ray : 78 USD/volana
- Karama isam-bolan'ny reny : 72 USD/volana
- Totaliny : 150 USD
Fandaniana Isam-bolana
- Sarandalana (bus ho an'ny efatra) : 34.3 USD
- Sakafo maraina (ho an'ny efatra): 16 USD
- Sakafo atoandro (ho an'ny efatra): 51 USD
- Sakafo hariva (ho an'ny efatra): 21 USD
- Sakafo maivana ho an'ny ankizy : 4 USD
- Hofantrano : 30 USD
- Jiro sy Rano : 13 USD
- saram-Pianarana : 21 USD
- Arina : 6 USD
- Savony : 1.5 USD
- Sira : 0.38 USD
- Menaka : 2.2 USD
- Siramamy : 1.03 USD
- Totaliny : 233.82 USD
Raha jerena ny zavamisy etsy ambony, dia nanontany avy eo i Tojo hoe ahoana no handoavana ny fitaovam-pianarana, fitafiana sy fanafody ho an'ny ankizy.
* ny famadihana ny vola Malagasy Ariary ho Dolara US dia 1.000 MGA = 0,42 USD (ny sandam-pifanakalozana dia azonao jerena
ato)