Araka ny filazan'ny mpisolovava azy ireo, miatrika vesatry ny fanekena fanampiana avy amin'ny ONG vahiny sy “fandrisihana hanao herisetra amin'ny alalan'ny media sosialy” ireo voagadra ireo.
Tsy azo natrehin'ny besinimaro ny fotoa-pitsarana, na dia teo aza ireo ezaka marobe nataon'ireo diplaomaty sy ny hafa hanatrehana izany. Araka ny filazan'ireo namana avy ao amin'ny fikambanana Global Voices izay nanatrika ny zava-niseho, noraràna tsy hiresaka tamin'ireo gadra ireo olona tao ivelan'ny trano fitsarana. Nanofahofa tanàna tamin'ireo gadra ireo mpanohana niandry tao ivelan'ny fitsarana ary novalian'izy ireo tamin'ny tsiky izany. Tsy afaka nanofahofa tanana izy ireo satria mifatotra rojovy ny tanany.
Nampihetsi-po tanteraka ny zava-niseho: nitomany ireo namana sy fianakaviana, ary hita fa tena reraka i Natnael Feleke. Hita nitomany izy raha niditra sy nivoaka ny efi-pitsarana. Natahotra ny olona fa mety niharan'ny fampijaliana izy, saingy ankoatra an'i Natnael, hita fa natanjaka sy naneho herin-tsaina ny ambiny.
Fantaro ny momba ity tantara ity :
Nahoana ny bilaogy no raisin'ny governemanta Etiopiana ho fandrahonana azy, 10 Mey 2014
FANAMBARANA: Miantso Ho Amin'ny Famotsorana Ny Mpanoratra Gazety Sivy Ao Ethiopia Ny Global Voices , 2 Mey 2014
Netizen Report: Famoretana ny Fahalalaham-pitenenana ao Ethiopia, 30 Aprily 2014
Mpikambana Enina Aminà Bilaogy Itambaram-be Nosamborina Tao Etiopia , 25 Aprily 2014