Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Marsa, 2016
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Elefanta Ao An'efitrano
Amin'ity fizarana ity, mitondra anao ao Somalia, Japana, Shina, Pakistan ary Kiobà izahay.
Firohotana Ho Any Amin'ny Hopitaly Hanome Rà Taorian'ilay Fanapoahana Baomba Nahaoro Fo Tao Amin'ny Kianja Iray Tao Lahore Ny Alahadin'ny Paka
Taorian'ilay fanafihana, maro ireo olompirenena nanomboka nandrindra ny ezaka ho fanomezana rà sy nitondra fanohanana ho an'ireo fianakavian'ny niharan-doza..
Herinandro 237, Tsy Very Fanantenana i Maheen Taseer Nino Fa Mbola Hiverina Ny Vadiny Nalaina An-keriny
Nanisa ireo andro tsy niarahany tamin'ny vadiny Shahbaz i Maheen Taseer. Nitsahatra tsy nanisa izany intsony izy tamin'ny 8 Martsa, raha voavonjy sy tafaverina soa aman-tsara ny vadiny.
Fanentanana #UnfairAndLovely: Miady Amin'ny Fitsaratsarana Lokon-koditra Ireo Vehivavy
"Nolazaina tamiko foana fa tsara kokoa ny mazava hoditra, nefa tsia, io no hoditro ary tiako io. #unfairandlovely"
Navoakan'ny Artista Iray Tao Anatin'ny Asam-Pamoronany Ny Fahasarotam-Piainana Ao Kathmandu
Ashim Shakya, artista nampiana-tena sady mpitendry mozika avy any Kathmandu, no nampiseho tamin'ny alalan'ny andian-javakanto navoakany ny toe-draharaha.
Nahoana No Mandoko Telolafy Miralafy Amin'ny Trano Ravan'ny Fihovitrovitry Ny Tany Ny Artista An-Dalambe ao Nepal
"... indro misy lehilahy iray manatona mitsiky ahy, sady manondro ireo korontam-biriky sady mihiaka hoe "tongasoa ato an-tranoko." Nitranga izany raha teo am-pandokoana ny telolafy voalohany aho."
Nahazo Fandresena Tamin'ny Fanoherana Ny Politikan'ny Fitondran-tena Ny #OccupyTheSquare Tao Sri Lanka
"Mahavariana ny mahita ny media sosialy afaka manintona olona am-polony mba hanao hetsi-panoherana mangina ho an'ny zon'olombelona."
Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana
Manome topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ao amin'ny Global Voices Advocacy.
Ry Mpiasam-panjakana Malalan'ny Tanànan'i Karachi, Amboary Io. (Raha tsy izany.)
Nahavory ireo Karachiites tanora mba hirotsaka an-tsehatra, handray andraikitra amin'ny fanamboarana ny sasany amin'ireo olana tena manimba tanàna, ny fanentanana #fixit nataon'i Alamgir Khan
Tsy Misy Firenena Ho An'ireo Ankizy Tsy Manana Ray ao Bhutan
Ny lalàna henjana ao Bhutan momba ny zompirenena, dia tsy nanao zavatra betsaka hanosehana ny fiadanana amin'izao androntsika izao, satria noho ireo lalàna maro ao Bhutan dia an'arivony maro ireo ankizy Nepale nilaozan'ny rainy no nanjary olona tsy manana firenena niaviana.