Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jolay, 2015
Fomba Iftar nentindrazana tsy lany hamamiana ao Bangladesh an-tsary 12
Lasa latabatra misokatra ny araben'ny lalamben'i Bangladesh mandritra ny iftar, sakafo rehefa mody masoandro mandritra ny volana fifadian-kanina islamika izay efa vita tanteraka ny tamin'ity taona ity.
Tetikasan-tSary Mandrakitra Ny Fiainana Any Nepal Taorian'ny Horohorontany
Ny tetikasa fanangonana sary 'dizitaly' ao amin'ny Instagram sy ny Facebook no ahafahana mahalala ireo karazanà fiainana andavanandro any Nepal taorian'ireo horohorontany nandrava farany teo.
Tambanivohitra Lasa Tompon-daka Manerantany Amin'ny Hazakazaka: Tantaran'i Mira Rai Avy Ao Nepal
"Amin'ny maha-tovovavy ahy. Zatra nitondra gony feno vary tany an-tsena aho mba hivarotra izany sy hitondra vola mody any an-trano. Lehibe tao anatin'ny hazakazaka aho."
Mba Hanana Ny Fiainany Manokana ireo Panda Mena, Nakaton'i Nepal Ny Valan-Pirenena iray
Manomboka ny tapaky ny volana Jona ny fotoana firaisana ho an'ireo Pandà mena, saingy mora raiki-tahotra noho ny tabataba ity zavaboary iray saro-kenatra. Tafiditra anatin'ny lisitr'ireo karazam-biby tandindonin-doza ny pandà mena
Olona 100.000 Isan-Taona no Ampijalian'ny Aretina Raboka sy VIH
"Afaka nanafoana ny lefakozatra i India tamin'ny alalan'ny misionany manokana. Fa maninona no tsy atao amin'ny programa miady amin'ny TB/VIH ny fahamehana tahaka izany?"
Tonga Ny Media Sosialy Hanavotra Satria Poretin'ny Hafanàna Tsy Mbola Nisy Toa Azy i Karachi

Raha mamely mafy ny ampahany maro amin'i Pakistana ny onjan-kafanàna, miady mafy miatrika ny firohotan'ireo marary niharan'izany tonga manatona azy kosa ireo hopitalim-panjakana ianjadiam-pahanterana. Bitsika iray avy amin'i Faisal Kapadia no manampy hanamaivamaivana ny toe-draharaha ao Karachi.
Mitantara Momba Ny Herisetra Ara-Nofo Tsirairay Amin'ny Bilaogy Ireo Vehivavy Any Bangladesh
Nisy herisetra ara-pananahana maro taorian'ny fankalazana ny Taombaovaon'ny firenena, nalalaka ireo vehivavy tamin'ny Herinandron'ny Bilaogy fanentanana natokana ho an'ny Vehivavy hizara ny zavatra niainany amin'ny herisetra ara-pananahana.
Ny Olona Tena Mahery Fo Vao Haingana Indrindra Any India : Tsy Hafa Fa i Mary Kom, Ilay Tompon-Daka Amin’ny Ady Totohondry
Misy olona tena mahery fo vaovao amin’ny sarimiaina, ho avy tsy ho ela ao amin’ny efijerin’ny fahitalavitra any India. Tsy i Spiderman. Tsy i Hulk tsy mampino. I Mary Kom, ilay Mpanao Ady Totohondry Tompon-Daka Olaimpika any India izany.