Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Marsa, 2020
Atahorana ho lany tamingana ny hazo maitsoririnina hitsaboana homamiadana any Nepal
Atahorana ho lany tamingana any Nepal ny hazo Taxus mairei. Mila dingana mivaingana i Nepal mba hiarovana ireo hazo ireo ary mila mampiasa rafitra maharitra amin'ny fitangosana ny ravina.
Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan
Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.
‘Mirehitra i Delhi': 17 no maty ary an-jatony no naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny hetsika manohitra ny lalànan'ny zom-pirenena
Any Dehli Avaratra Atsinanana, niteraka fahafatesan'ny sivily miisa 17 farafahakeliny ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana sy mpanohitra ny lalànan'ny zom-pirenena. 150 mahery ny olona naratra.
Na teo aza ireo antso fanentanana, mankahatra ny lalàna mikasika ny maha-olompirenena ny fihetsiketsehana iray tarihan'ny vehivavy ao India
"Raha toa ka afaka manao sorona be toy izany ho an'ity fihetsiketsehana ity isika, tsy afaka ny mba handefitra fanelingelenana kely mihitsy ve ny olona?"