Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2015

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Oktobra, 2015

28 Oktobra 2015

Nandao An'i Etazonia Tsy Misy Resaka Nokleary Ny Praiminisitra Pakistaney

"Tena tsy mahazatra ny fanambarana iraisana lavabe miseho alohan'ny fiafaran'ny fihaonana! Resak'i Obama-Sharif"

27 Oktobra 2015

Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity

Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.

Horohorontany Mahafaty Nanana Hery 7.5 Nampihovitra An'i Azia Atsimo

Manodidina ny 180 ireo olona notaterina hoe maty tany amin'ny faritra.

26 Oktobra 2015

Mahatonga fanontaniana maro ao Bangladesh ny fanafihana tamin'ny baomba ny fivorian'ny Shiita tao Dhaka

Voatatitra fa nilaza tena ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tamin'ny alalan'ny baomba tao Hussaini Dalan, izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olona maherin'ny enimpolo ny Fanjakana Islamika.

24 Oktobra 2015

Nitsipaka Ny Didim-pitsarana Voalohany, Namonjy Vehivavy Nijangajanga Voaheloka Hotoraham-bato Ny Fitsarana Tampony

Nandray fepetra haingana ny Fitsarana Tampony ao Maldives mba hitsipaka ny didim-pitsarana hamono ho faty vehivavy iray noho ny fijangajangana.

18 Oktobra 2015

Nitety Firenena Sivy izy Handosirana Ady—Vao 12 Taona Monja Izy Tamin'izany

Vao 12 taona i Gulwari Passarlay tamin'ny fotoana nandefasan-dreniny azy hiala an'i Afghanistan ho any Angletera noho ny tahotra tao aminy. Nanoratra boky iray mitantara ny diany izy.

13 Oktobra 2015

Mombamomba An'ilay Nahazo Ny Loka Nobel-n'ny Literatiora, Pablo Neruda, Mahatonga Adihevitra Momba Ny Fanolanana Any Shili

Ataon'ilay poeta Shiliana, Pablo Neruda, ao anatin'ny raki-tahiriny ny tantaranà fanolanana. Ankehitriny, nisy mpanakanto iray namerina namisavisa ny rai-tahirin'ilay mpanoratra tamin'ny lohateny vaovao "Mibaboka Aho Fa Nanolana."

08 Oktobra 2015

Vehivavy Ny Ampahany Betsaka Amin'ireo Mpiasa Mpanamboatra Akanjo Ao Bangladesh, Saingy Tsy Izany Kosa Ny Mpitarika Sendikan'izy Ireo—Hatramin'izao

Nahafatesana mpiasa an-jatony sy naratra ny loza farany tao amin'ny indostrian'ny fanamboarana akanjo tao Bangladesh. Manomboka misahana andraikitra ho mpitarika ireo mpiasa vehivavy amin'ny tolona hivondronana ao anaty sendikà.

06 Oktobra 2015

Lehilahy Haindò Maty Novonoina Fa Nihinana Henan'omby

"Manankarena amin'ny fanondranana hena ny sasany, ny sasany kosa maty noho ny fihinanana azy? Ny fandrarana sy ny nasionalisma tafahoatra no mahatonga izany."

02 Oktobra 2015

Netizen Report: Tambajotra Voabahana Any Avaratra Atsinanan'i India Ao Anaty Fitroaram-bahoaka.

GV Mpisolovava

Mitohy any India ny fanapahana ireo fifandraisana, i Shina kosa manivana ireo kisarisary mampihomehy anà sahona, elo, ary Winnie ilay Bera; ary asain'i Rosia manangona ireo angon-drakiny eo an-toerana ireo orinasa avy any ivelany (afa tsy ny Twitter).