Nahoana No Mandoko Telolafy Miralafy Amin'ny Trano Ravan'ny Fihovitrovitry Ny Tany Ny Artista An-Dalambe ao Nepal

Triangolism in Kathmandu. Italian street artist Riccardo Ten Colombo painted equilateral triangles on buildings brought down by the earthquake. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Fitiava-manoritra telolafy ao Kathmandu. Artista an-dalambe Italiana, Riccardo Ten Colombo, nandoko telolafy miralafy amin'ny fonenana narodan'ny fihovitrovitry ny tany. Sarin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Lasa lasitra fanaovana endrika zavakanto vaovao ny araben'i Kathmandu – telolafy miralafy voaloko amin'ny fanorenana narodan'ny fihovitrovitry ny tany tamin'ny aprily 2015.

Ilay artista an-dalambe Italiana Riccardo Ten Colombo no niara-niasa amin'ny Sattya Media Arts Collective — foibem-pakankevitra sy fitaovana hoan'ny artista, mpanatontosa sarimihetsika, mpaka sary, mpikatroka ary ireo hafa mpanao karazam-pamoronana ao Nepal — sy amin'ilay artista ao an-toerana Rupak Raj Sunuwar, fantatra ho Thugucheaa, hametraka telolafy miralafy amin'ny fanorenana ao Thamel, ao amin'ny Lalana Freak ay any amin'ny faritra Basantapur ao Kathmandu.

Araka ny lazain'i Riccardo, ny telolafy miralafy dia fanehoana hitamason'ny fifaharana mafy sy ny tanjaka, ary faniriana isian'ny fanorenana matanjaka indray eo amin'ny manodidina.

Manodidina ny 9000 eo ho eo ny olona matin'ny fihovitrovitry ny tany nahatratra ny maridrefy 7,8 amin'ny fandrefesana Richter, ary tsy voaisa ny trano rava tamin'izany. Nilaza i Ricardo fa talanjona amin'ny faneken'ny vahoaka nepaley ny lahatra vokatry ny voina izy. Tao amin'ny Instagram izy nampahatsiahy:

Here, where the inhabitants have lost relatives, friends, their homes and all their belongins, preliminary rebuildings are now taking place. As I looked around, stunned, unable to understand what might have really been the shakes, a man approaches me smiling, and pointing to some heaps of bricks he cries “welcome to my home.” Thats when I painted the rubble of the first triangle.

Eto ny mponina very havana, namana, trano ary ny fananany rehetra, efa mandeha indray ankehitriny ny savaranonandon'ny fanorenana indray ny trano. Raha nijery ny manodidina aho, mivoarahontsana, tsy mety mahatakatra izay mety ho tena vaikan'ny fihozongozonana, no indro misy lehilahy iray manatona mitsiky ahy, sady manondro ireo korontam-biriky sady mihiaka hoe “tongasoa ato an-tranoko.” Nitranga izany raha teo am-pandokoana ny telolafy voalohany aho.

Welcome to my home “Triangolism in Kathmandu” for @kolorkathmandu Equilateral triangle, a symbol of stability and strength, a wish to the future reconstruction of these neighborhoods. I decided to paint in this area, in the center of Kathmandu, brought to its knees by the 2015 earthquake. Here, where the inhabitants have lost relatives, friends, their homes and all their belongins, preliminary rebuildings are now taking place. As I looked around, stunned, unable to understand what might have really been the shakes, a man approaches me smiling, and pointing to some heaps of bricks he cries "welcome to my home." Thats when I painted the rubble of the first triangle. Tnx to @thugucheaa @sattyamedia @kolorkathmandu #nepal #eartquake #triangolismo #kathmandu #italianstyle #triangolism #streetart #urbanart #ten

A photo posted by Riccardo Ten Colombo (@riccardo_ten_colombo) on

Nahitan-javatra tokoa ny niasa niaraka tamin'i Riccardo, hoy i Thugucheaa.

Screenshot from Instagram - See more images with hashtag #trianolismo

Pikantsary avy amin'ny Instagram – Mijere sary maromaro amin'ny diezy #triangolismo

Amin'izao fotoana izao ny Sattya Media Arts Collective dia eo am-panatontosana tetikasa antsoina hoe Kolor Kathmandu hanova an'i Kathmandu ho “tranom-pampirantiana misokatra”, mba itodihana hatrany amin'ny zavakanto an-dalambe hipongatra ao Nepal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.