Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jolay, 2018
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto
Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!
Pakistana: Parachinar, ilay paradisa lasa helo
Foiben-toeran'ny Masoivohon'i Kurram ao amin'ny Faritra ara-poko tantanana amin'ny fomba federaly ao Pakistana i Parachinar. Ankehitriny, azon'ireo talibana mpikomy ilay tanàna izay hampanjakany ny tahotra ka hanereny ny mponina hiala ao.
Nepal/ Grande-Bretagne : Ireo Ghurkas, tantara lavabe mahakasika ny fanavakavahana
''Efa ho taonjato roa izay no manompo ny mpanjakavavy sy i Angletera ireo Ghurkas, araka ny iantsoana ireo tanora Nepaley mirotsaka ao amin'ny tafika britanika. Tsy dia tena rariny anefa ny nataon'ny fanjakana britanika raha ny resaka fanomezam-boninahitra noho ny firotsahany sy ny sorona nataon'izy ireo.''
Mitombo Ny Sivana Amin'ny Haino Aman-Jery Any Pakistàna Fa Manakaiky Ny Fifidianana Solombavambahoaka
Noraràna ny lahateny fanao amin'ny fifidianana mba hisorohana ny fandefasan'ireo haino aman-jery votoaty "manafintohina" sy "manala baraka".
Korontana feno nandriaka rà tao Peshawar
Nisy fanafihana iray indray niseho tao amin'ny hôtely iray tao Peshawar, Maro ireo Pakistaney sy mpiasan'ny Firenena mikambana ary mpiasan'ny ONG iraisam-pirenena no namoy ny ainy tamin'izany.
Nepal: Fiaingana vaovao miaraka amin'i Madhav Kumar Nepal ?
Taoriana herinandro maro niadiana varotra teo amin'ireo antoko politika nepaley, "voafidy" handray ny andraikitra Praiminisitra ao Nepal i Madhav Kumar Nepal, ilay mpitarika kaominista efa za-draharaha ary sekretera jeneraly taloha tao amin'ny Antoko kaominista nepaley (masksista sy leninista mitambatra ) na PCN (MLU).
IndiBlogger.in : Ny toetry ny tontolon'ny blaogy indiana
Nizara vaovao mahaliana taminay mikasika ireo blaogy 7895 resahan'ny IndiBlogger.in i Renie Ravin ao amin'ny IndiBlogger.in. Vavahadin-tserasera tena mavitrika be anà blaogy indiana ny IndiBlogger.in, miaraka amina endri-javatra tsara toy ny fanangonana isaky ny lohahevitra, fandaharana ireo blaogy mifanaraka amin'ny lazany (IndiRank) ary fitaovana iray fandaminana hatsikana (andiana lohahevitra iombonana na tenifototra any amin'ny blaogy), IndiVine.
India: Sary voalohany tao amin'ny flickr mampiseho ny fipoahana baomba tao Mumbai
Nalefa tao amin'ny flickr ireo sary nalaina voalohany avy ao Mumbai. Nandefa sary maro avy eny an-dalamben'i Mumbai i Vinu avy ao amin'ny Vinu's Online Cloud. (2008)
India, Sri Lanka: Fetiben'ny Tempoly tany amin'ny andaniny sy ankilan'ny andilan-dranomasin'i Palk
Ampahany manan-danja amin'ny fiainan'ny Tamòla haindò, manerana ny firenena izay honenan'izy ireo ny fetiben'ny tempoly. Ity tatitra an-tsary manaraka ity dia ahitana ny fotoana vitsivitsy tamin'ireo fetibe ireo.
Sri Lanka: Natao Fahirano Ny Toeram-piasan'ny Firenena Mikambana
Lasibatry ny tsikera ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon , satria tamin'ny 22 jona farany teo, namolavola kaomisiona mpanadihady izy natao hanasokajy ny famaritana ny andraikitra tamin'ny fifanitsakitsahana ny zon'olombelona izay toa natao nandritra ny ady an-trano niseho teo amin'ny fanjakana sy ireo mpanohitra avy ammin'ny LTTE no tanjony.