Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Janoary, 2013
Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh
Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo...
Voapotsipotsitra Ny Taratasin'ny Filoha Tiorka Ho an'i Bangladesh
Tamin'ny volana lasa [bn] teo ny Filoha Tiorka Abdullah Gül no nandefa taratasy tamin'ny filohan'i Bangladesh. Ny votoaty ankapoben'ny taratasy dia fangatahana “famindram-po” ho an'ireo mpitarika Islamista hotsaraina noho ny fiampangana ho...
Nitifitra Ranon-tsakay Tamin'ireo Mpampianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Bangladesh Ny Polisy
Vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Bangladesh, no nampiasa tifitra ranon-tsakay ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Mpampianatra sy mpiasa an-jatony avy amin'ireo sekoly tsy miankina no voatifitr'izany. Nanao fihetsiketsetahana izy ireo ary...
Sri Lanka: Fihetseham-po Mikasika Ny Fanonganana Ny Filohan'ny Fitsarana Tampony
Ny fanonganana ny filohan'ny Fitsarana faha-43 ao Sri Lanka, Dr Shirani Bandaranayake no ambetin-dresaka manerana ny firenena. Mpianatra ambony teny amin'ny anjerimanontolo i Bandaranayake, ny tsy fananany traikefa eo amin'ny sehatry...
SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan
Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika...
Manorisory Olo-Tsotra ny Polisy ao Kerala, India
Namelona adi-hevitra mafana sy ny fomba fitandroana ara-maoraly ny filaminana ao amin'ny fiaraha-monina ny tranga nisy tao Delhi. Ankoatra ny toetran'ny fiaraha-monina, ahoana raha ny polisy indray no manorisory ny olo-tsotra fa tsy misoroka amin'ny heloka tahaka izany? Vao haingana dia haingana tany Kerala no nahitana tranga telo tahaka izany izay niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy.
“Hazara Daholo Izahay Rehetra” Hetsi-panoherana Nanerana An'i Pakistana
Olona an'arivony maro avy aminà tanàna samihafa ao Pakistana sy nanerana ny tanyno tonga naneho firaisankina tamin'ireo Shiita Hazara vitsy an'isa tamin'ny nidiran-dry zareo ny andro faharoan'ny fitorevahany tany Quetta, tanàna atsimo-andrefan'ny firenena
Namoy ny Ainy Noho Ny Daroka Baomba Mikendry Ny Hazara Ilay Mpikatroka Pakistaney Khudi Ali
Olona 82 no namoy ny ainy nandritra ny daroka baomba namely faritra iray be mponina indrindra ahitana foko Miozolomana Shiita Hazara, tao an-tanàna Atsimo-Andrefan'i Quetta, tamin'ny 10 Janoary 2013. Namoy ny ainy nandritra...
Voasakana, Nalàna Sakana Ary Voasakana Indray ny YouTube Tany Pakistana
Taorian'ny telo volana nanakanan'ny governemanta ny YouTube, afaka niditra tao amin'ilay vohikala fizarana lahatsary ihany ireo Pakistaney ny 29 Desambra 2012. Nefa fohy ihany anefa ny faharetan'izany fitoniana izany.
Bangladesh: Jibon Tari – Hopitaly Mitsingevana Ho An'ny Sahirana
Hopitaly mitsingevana mitety ireo faritra lavitra manerana ny firenena ny Jibon Tari - mitondra ireo tolotra ara-pitsaboana ho an'ireo olona any amin'ny faritra mahantra izay raha tsy misy ny toy izany dia sarotra ho azy ny hahazo tohana ara-pitsaboana mora foana.