Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Desambra, 2019
Tian'ny alika ny foromazy Nepaley iray mafy, be mpankafy indrindra ao an-toerana
Lasa sakafo malaza be ho an'ny alika any Etazonia sy Eoropa ny Chhurpi ankehitriny, ilay foromazy mafy vita avy amin'ny rononon'yak sy ombivavy any amin'ny faritra Himalaiana.
Nitombo ny fihetsiketsehana manohitra ny trano foibe famoaham-baovao iray any Pakistan
Miha-mahazo fandrahonana hatrany ho voatafika noho ny antony politika ilay gazety lohalaharana amin'ny teny Anglisy mpivoaka isan'andro Dawn.
Tsy azo antoka ny ho avin'ireo mpitady fialokalofana ao Sri Lanka
Tokony handray haingana fanapahankevitra ireo manampahefana mba hiantohana ny fiarovana, ny haja sy ny zon'ireo mpitsoaponenana ary ireo mpitady fialokalofana, amin'ny fiantohana ny fitonian-dry zareo sy ny hananan'izy ireo fepetram-piainana mifanaraka amin'ny maha olombelona azy
Diabe iray mba hanomezana aina indray an'ireo sendikan'ny mpianatra ao Pakistana
Tsy marin-toerana ireo fepetra ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-toekarena ao Pakistana izay hery manosika an'ireo mpianatra hanomana ity diabe ity mba hitakiana ny famelomana indray an'ireo fikambanan'ny mpianatra.
Mampivarahontsana ao Bangladesh ny fiakatry ny vidin'ny tongolobe
Miha-ratsy ny krizinà tongolo ao Bangladesh miaraka amin'ireo fahatarana misy amin'ireo mpiara-miasa hatrizay tamin'ny fanafarana sy ireo vidiny mitombo avo enina heny. Maka an'ireo tongolo entina amin'ny fiaramanidina ny governemanta mba hamaliana ny tinady.
Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi
Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Citizenship Amendment Act.
Fitokonan'ilay dokotera Nepaley iray tsy hihinan-kanina nahatonga ny fanjakana hihetsika
Namarana ny fifadian-kaniny mandra-maty(fast-unto-death) faha-efatra tamin'ny 15 Febroary 2014 i Dr. Govinda KC, mpandidy taolana ela nihetezana ao amin'ny Hôpitaly OniversiteraTribhuvan ao Nepal izay voapetaka anaram-bositra Crusader KC. Dr. Govinda KC.
Nahoana no mila faranana ny ‘Chhaupadi’ fomban-drazana Nepaley mahafaty
Maro ny zazavavy sy vehivavy ao amin'ny faritra andrefana sy ny farany andrefana ao Nepal no maty noho ny fanilikilihana ateraky ny fombandrazana naharitra anjato taonany tsy tia fadimbolana ka mandrara zavatra maro mandritra izany fadim-bolana izany.
Chhaupadi, Fomban-drazana Nepaley manilika ny vehivavy mandritra ny fadim-bolana
Na dia nandràra ny chhaupadi aza ny Fitsarana Tampony Nepaley tamin'ny taona 2005, dia mbola miorim-paka mafy any amin'ireo tanàna be havoana saro-dalana izany.
Onja vaovaonà fametavetàna sy fanararaotana ankizy mahazo an'i Pakistàna
Na eo aza ireo sazy henjana ampiharina amin'ny heloka bevava (..) dia haingam-pitombo ny isan'ireo trangam-panararaotana ankizy any Pakistàna.