Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Marsa, 2024
Famahana ny olana ateraky ny ahidratsin-drano ao Nepal
Mora mameno izay itoerany ao amin'ny faridranon'i Nepal ny "tsikafon-dava", karazam-boahirana Amazoniana ka manempotra sy zavamaniry zanatany sady manakana ny hanina ilaina amin'ny fiainana an-drano. Misy koperativam-panao asa-tanana Nepali iray nahita izay mahasoa amin'ilay zavamaniry mba hanaovana ny tsiraka ao aminy ho fanaka an-trano.
Diaben'ny vehivavy ho an'i Palestina sy manohitra ny fanjakazakan-dray ao Pakistan
Nivondrona tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy ny vehivavy ao amin'ireo tanàndehibe ao Pakistan, toa an'i Islamabad, Lahore, Karachi, ary Multan, nitaky ny fitovian-jo ho an'ny lahy sy ny vavy, ny rariny ary ny fiarovana, nanohitra ny fitsipiky ny fanjakazakan-dray nandritra ny fito taona nisesy.
Ny tolon'ny Pattharkattas, mpiasa tsy hitan'ny olona ao Nepal
Ankehitriny, tombanana ho 3.343 ny Pattharkattas monina ao Nepal mitolona amin'ny asa tsy misy hoavy tsy ahafahana hivoatra mba hanohanana ny fivelomany. Tandindonin-doza ny maha-izy azy ireo sy ny asan'izy ireo