Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Oktobra, 2018
Mandà ny Hijery ilay Tanàna-Zaridaina ao India Hivadika Fitoeram-pako ireo Olompirenena
Aleon'ny mponina mitady fomba vaovao hamahana ny olana eo amin'ny habetsaky ny fako vokarin'ny tanàna toy izay hanebaka ny ezaka ataon'ireo manampahefana hifehezana ny olan'i Bangalore eo amin'ny fandrindrana ny fako.
Shina: Sary Anehoana ireo Fitsaràna an-tendrony Ara-Kolontsaina sy Ara-poko
Lasa nalaza be ny Shinoa vlogger iray niaraka tamin'ny fangalany tahaka ny firokin'ireo Aziatika manodidina azy sy ny kolontsaina manerana izao tontolo izao. Inona koa moa anefa no mahasamihafa ireo tsy fitoviana ireo amin'ny fitsaràna an-tendrony hitanao tany an-kafa?
Ireo blaogera indiana mikasika ny Virginia Tech: alahelo, ary fanontaniana iray tapitrisa
Maneho ny heviny manoloana ilay loza nitranga tao amin'ny Oniversite Virginia Tech avokoa ireo blaogera Indiana
India : Didim-Pitsaràna Iray Manafoana Ny Fanamelohana Ny Fiarahan'ny Mitovy Fananahana
Fanavakavahana ny fiheverana fa heloka bevava ny firaisana ara-nofo ifanarahan'ny mitovy fananahana, hoy ny didy navoakan'ny fitsarana avon'i Delhi, ka noho izany dia fanitsakitsahana ny zo fototra arovan'ny lalàm-panorenana any India.
Olona an'arivony no tsy manan-kialofana noho ny fikaohan'ny tany amin'ny morondrano ao Bangladesh
Nitelina tranobe misy rihana telo tao Naria upazila ao Shariapur ny renirano Padma. Nitarika fiovana lehibe ny fikaohan'ny riaka an'io renirano io ny tany; fianakaviana 4.000 no tsy hanan-kialofana ao anatin'ny volana vitsivitsy.
Pakistan: Sazin'ny bilaogy
Ny "sazy iombonana" dia lamaody fialantsiny vaovao ampiasain'ireo governemanta eran-tany. Na amin'ny fandraràna ny blaogy izany na manapoaka baomba amin'ireo olon-tsotra tsy manan-tsiny, ny "sazy iombonana" dia toa fitaovana "safidy" amin'ireo fitaovana eo amin'ny fahefana.
Ny malaza amin'ny bilaogy Bangladesh
Ireo farany niseho tamin'ny bilaogy manerantany momba an'i Bangladesh:
Ny malaza ao amin'ny bilaogy Aziatika Atsimo
Azia Atsimo: vaovao, fomba fijery sy hevitra (jolay 2005)
Notànana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Islamabad ilay Pashtun mpiaro ny zon'olombelona ary navotsotra taorian'ny faneren'ny media sosialy

Pashtun Mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza sady mpanorina ny tambajotra Seeds of Peace i Gulalai Ismail.
Ny hevitr'i Frederick Noronha amin'ny fankatoavana bilaogera ao India
Nizara lahatsoratra tamintsika momba ny tombatombana ilay mpanao gazety indiana Frederick Noronha fa mety hanomboka hankatoa ireo bilaogera ny governemanta Indiana.