· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Novambra, 2011

Israely: Ampitahorin'i Netanyahu Hosoloina Dokotera Indiana Ireo Mpianatra Ho Mpitsabo

Taorian'ny volana maro nisianà hetsi-panoherana, Benjamin Netanyahu, Praiminisitra Israeliana dia nanolo-kevitra ny tokony hanoloana ireo mpianatra ho mpitsabo aminà mpiasa vahiny mpila ravinahitra avy any India raha toa ka tsy hita izay marimaritra iraisana amin'izy ireo.Naneho hevitra tany anaty aterineto ireo mpianatra ho mpitsabo, miaraka aminà vazivazy sy esoeso.

India: Ny Zanak'i Aishwarya Rai Sy Ny Hadalan'ny Haino Aman-jery

  21 Novambra 2011

Ny mpilalao horonan-tsarimihetsika any Bollywood izay bevohoka, dia i Aishwarya Rai Bachchan sy ny zanany izay mbola am-bohoka, no vaovao tena malaza ao amin'ny haino aman-jery Indiana. Miresaka mikasika ny tsaho, ny vaovao, ny fifanoheran-kevitra sy ny fomba fijery amin'ity resaka ity ireo mpampiasa Twitter.

Bangladesh: Fanoherana Am-pahasahiana Ny ‘Dot’

  15 Novambra 2011

Farzana Yasmin, tovovavy iray avy ao Bangladesh no nampanakoako nanerana ny firenena ny fisarahany tamin'ny vadiny teo noho eo tamin'ny andron'ny fampakarambady, taorian'ny nangatahan'ny fianakavian'ity farany 'dot' (fanomezana atolotra mialoha ny hidirana amin'ny tokantrano vao), niaraka tamin'ny fankatoavany, tamin'ny fianakavian-dravehivavy.

Bangladesh: Ny fodiana amin'ny fotoana fankalazana ny Eid

  08 Novambra 2011

Ny Eid dia fetim-pinoana lehibe indrindra ankalazain'ny ankamaroan'ny Silamo ao amin'ny firenena Bangladesh, ary ny tena fototra amin'io fankalazana io dia ny fiverenana any amin'ny taninao ka miaraka mankalaza izany miaraka amin'ny fianakaviana izay mipetraka an-tany lavitra. I Bijoy dia mitantara ny fiainan'ny mponina ao Bangla eo amin'ny resaka ady, tebiteby ary ny fifaliana amin'ny fahatongavana any an-trano amin'ny fankalazana ny Eid.

Azia Atsimo: Mankalaza ny Zazakely Faha-7 Miliara

  05 Novambra 2011

Tamin'ny 31 Oktobra 2011, nandray ny zazakely vao teraka  antsoina hoe Oishi ny planeta. Nampitondraina hafatra manokana ny Fahaterahany tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka -” izy no zaza faha-7 miliara eto an-tany.”...