Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Novambra, 2018
India : Ry Zatovolahy isany, hatsarao ao amin’ny Facebook ny hodi-tavanao
Niteraka adihevitra tao India ny fampiasa Facebook vaovao iray. Ahafahan’ireo mpisera manazava ny volon-kodin’ny sariny ao amin’ny Facebook ity fampiasa ity. Na izany aza, nanolotra fihenam-bidin'ny vokatra natokana ho an’ny lehilahy, izay tena mbola vaovao tokoa ity fampiasa izay resahana eto ity.
Fitsidihana ny bilaogy manerantany Talata
Mahmood of Mahmood's Den manambara fa tsy ny handray ny torolàlana avy amin'ny Reporters sans frontières ho an'ny aterineto maimaim-poana ihany no ataony fa handika izany amin'ny teny arabo koa izy, ary handefa azy ireo any amin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta.
Miblaogy mikasika an'i India, NRIs, Bokkywood sy ny Cricket An-dranomandry
Sasany amin'ireo zavatra jerentsika ao anatin'ity fanaovana bango tokana ity ny mpanangona blaogy vaovao, ohatrinona ny mividy trano ao Bangalore, ny NRI, ny Bollywood Anglisy, ny cricket an-dranomandry.
India: Wal-mart, Bangalore ary BarCamp Bangalore II
Sasany amin'ireo lohahevitra jerentsika ao anatin'ny fibangoana an'ity herinandro ity mikasika ny zavatra Indiana rehetra ny Tombontsoam-Pirenena, Wal-Mart, Aterineto, Barcamp, Bangalore sy ny Bollywood.
Tabatabam-blaogy avy any Azia Atsimo
Sahirana tamin'ny fanoratana mikasika ny teknolojia, lamaody, toekarena sy sarimihetsika ireo blaogera Aziatika Tatsimo tamin'ity herinandro ity.
Miditra vanim-potoana vaovao ny fifandraisana India-Amerikana
Tany am-piandohan'ity volana ity, nanaisotra ny sazy maherin'ny 30 taona amin'ny varotra nokleary amin'i India ny governemanta amerikana. Nanasonia volavolan-dalàna manome alalana ny fanampian'ny Amerikana ny fandaharan'asa angovo nokleary sivily ao India ny filoha Amerikana Bush.
Adihevitra momba ny fifanarahana nokleary India-Etazonia
Nandritra ny volana vitsy lasa izay dia nisy adihevitra mafana tao India momba ny fifanarahana nokleary nataony tamin'i Etazonia. Vahaolana iray nanaovan'ny Praiminisitra Manmohan Singh fandresen-dahatra mafy izany ary niezaka ny hahazo fifanarahana ara-politika.
Obama sy India
Ny fifidianana an'i Barack Obama no zava-nitranga be mpijery indrindra tany Inde. Toa i Obama no safidy ho Filoha ho an'ny bilaogera maro any India. Ity misy sombiny vetivety momba ireo fanehoan-kevitra voalohany avy amin'ireo bilaogera any India momba ny dika ara-tantara tamin'ny fifidianana an'i Obama.
Bilaogera Aziatika Atsimo miresaka momba ny loka Nobel-n'ny fandriampahalemana azon'i Obama
Ny Filohan'i Etazonia Barack Obama nahazo ny loka Nobel lehibe ho an'ny fandriampahalemana androany. Araka ny filazan'ny komitin'ny Nobel, nahazo izany izy noho ny "ezaka niavaka nataony hanamafisana ny diplaomasia iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny vahoaka".
Fanaovana Bango Tokana ny Blaogy Aziatika Tatsimo
Fanaovana Bango Tokana ny blaogy Aziatika Tatsimo