Nahazo Fandresena Tamin'ny Fanoherana Ny Politikan'ny Fitondran-tena Ny #OccupyTheSquare Tao Sri Lanka

Screenshot from Instagram #OccupyTheSquare

Pikantsary tao amin'ny Instagram #OccupyTheSquare – Tsindrio ny sary raha te-hijery sary bebe kokoa

Tamin'ny 6 Martsa, olona an-jatony milanja sora-baventy manohitra ny fankahalana ataon'ireo mpitandro ny filaminana amin'ireo lehilahy sy vehivavy miaraka eny an-kianja no nitangorona tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ao an-drenivohit'i Sri Lanka, Colombo.

Nisy vokany ny ezaky ny #OccupyTheSquare (Bodoy ny Kianja). Taorian'ny hetsi-panoherana, nofoanan'ny manampahefana ny fifanarahana tamin'ny orinasan'ny fiarovana tantanin'ny fanjakana ary namerina nilaza izy fa tokony afaka mankao an-kianja tsy hohelingelenina ny olona .

Nanomboka izany rehetra izany andro mialoha ny nandefasan'i Mirshad Buckman lahatsary tao amin'ny Facebook ary niparitaka be (efa nisy nijery mihoatra ny in-182.000). Nampiseho mpitandro ny filaminana roa miezaka mandroaka an'i Mirshad sy ny sipany hiala ao amin'nyy Kianjan'ny Fahaleovantena ny lahatsary izay milaza fa ny Ministeran'ny Raharaha Ara-kolontsaina no nanome baiko azy ireo hanao izany

Me and my girlfriend were just sitting and chilling at Independence square and these idiots came and said that it was culturally wrong for a male and female to sit together at a public space. According to these idiots we have to have a child with us to sit together at independence square. I urge all you lovers or couples to go there and do the same. Lets see what these idiots do again.

Nipetraka fotsiny sy naka aloka tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena izaho sy ny sipako raha tonga ireto adala ireto ary nilaza fa ara-kolontsaina, tsy mety ho an'ny lahy sy vavy ny miara-mipetraka amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe. Araka ny filazan'ireo adala ireo, tsy maintsy manan-janaka izahay vao afaka mipetraka ao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena. Mandrisika anareo mpifankatia sy mpivady rehetra aho mba hiditra ao ary hanao toy izany koa. Ndeha hojerena raha mbola manao izany indray ireo adala ireo.

Rehefa nanomboka niely ny lahatsary, nisy olona namorona hetsika Facebook, izay nahasarika olona mihoatra ny arivo nilaza fa te-handray anjara amin'ny hetsi-panoherana ao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena, mariky ny fahalalahan'i Sri Lanka izy ireo.

Feom-bahoaka! Bodoy ny kianja! Ankalazao ny fitiavana!

Araka ny pejy Facebook Bodoy Sri Lanka, nokarakarain'ny tsy miankina, tahaka ireo olona mitovy hevitra tsy misy fifandraisana ara-politika na fikambanana miaraka amin'izy ireo ny hetsika.

Nanoratra momba ny dikan'ny ny hetsi-panoherana tao amin'ny vavahadim-baovao antserasera Roar.lk i Maryam Azwer:

Although Sri Lanka has a reputation for evicting couples from public places such as Independence Square and Vihara Maha Devi Park, this is probably the first time people chose to openly question such actions on the part of authorities, and raise their voices against it.

Na dia malaza amin'ny fandroahana mpifankatia eny amin'ny toerana natokana ho an'ny daholobe toy ny Kianjan'ny Fahaleovantena sy ny zaridaina Vihara Maha Devi aza i Sri Lanka, ity angamba no sambany nahasahy nihantsy ampahibemaso mikasika ny anton'izany fepetra ataon'ny ampahan'ny manampahefana izany ny olona ary manandra-peo hanoherana izany.

Naneho hevitra tao amin'ny media sosialy ihany koa ny olona:

Fahalalahana mba ho Afaka!!

Mahavariana ny fomba ahafahan'ny herin'ny media sosialy manintona olona am-polony mba hanao fihetsiketsehana am-pahanginana ho an'ny zon'olombelona

Andeha ho any an'eritreritra ho miaraka amin'ny sipako aho

Bodoy ny Kianja!#protest #occupythesquare #Colombo #srilanka #missionaccomplished #06033016

A photo posted by @devakaperera on

Eto izahay. #occupythesquare

Lahatsary nalefan'i *imaad majeed (@imimaad) on

Chamara Sumanapala nilaza tao amin'ny Facebook hoe:

Some seven years ago, the cultural police goons at Independence Square did the same thing to me. They have not grown up, but we have. Tomorrow I will be at Independence Square to stop this idiocy once and for all. ‪#‎OccupytheSquare‬ ‪#‎Kuliyapitiya‬ ‪#‎TalibanRulesInLanka‬

Fito taona lasa izay, nanao tahaka izany tamiko tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ny jiolahimbotom-polisy ara-kolontsaina. Mbola tsy nihalehibe izy ireo, fa efa lehibe izahay. Ho an'ny amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena aho rahampitso mba hanakana tanteraka ity hadalana ity. #OccupytheSquare #Kuliyapitiya #Taliban Rules Lanka

Bilaogera Malinda Seneviratne niantso ny fihetsiketsehana ho toy ny fankalazana:

Today, March 6, 2016, there was a protest of sorts. Well, we could also call it a celebration. It was in a sense a questioning of the meaning of ‘freedom’ that intangible something that's often associated or confused with ‘independence’. It was about, let's say, the right to be, the right to love, the right to show affection and about objecting to those who interpret vague guidelines as per their own understanding of propriety. It's all grey. Anyway, there was quite a crowd.

Nisy karazana fihetsiketsehana androany, 6 Martsa 2016. Eny, afaka antsointsika koa hoe fankalazana izany. Rariny ny fametraham-panontaniana mikasika ny hevitry ny ‘fahafahana’, zavatra tsy azo tsapain-tanana izay matetika ampifandraisana na afangaro amin'ny ‘fahaleovantena’. Mikasika ny, andeha holazaina hoe, ny zo hisy, ny zo ho tia, ny zo haneho fitiavana sy momba ny fandavàna ireo izay mandray ny torolalana manjavozavo araka ny fahazoan'izy ireo manokana ny atao hoe fananana. Sady tsy tsara no tsy ratsy. Na izany aza, efa vahoaka ihany ny tao.

Nanontany mikasika ny fanentanana ihany koa ny sasany:

Mitady tsy hiraharaha ny tena olana ny governemanta #Ika ary mifantoka mafy amin'ny lohahevitra malaza ao amin'ny media sosialy mikasika ny tati-nono ankehitriny

Nanondro ilay antso ampahibeso nataon'ny filoha Maithripala Sirisena ho an'ilay mpihira Enrique Iglesias mba hosaziana noho ny fitondran-tenan'ny mpankafy azy sasany tamin'ny fampisehoana nataony tamin'ny volana Desambra, izay ahitana olona manipy tati-nono any amin'ilay mpihira mbola teo ambony sehatra i @thila794 tamin'izany sioka izany.

Na izany aza, nanazava ilay bilaogera ao amin'ny Icaruswept hoe:

However, the blogger at Icaruswept explained:

But it is an issue that people were willing to stand up for. This country faces tons of issues. People stand up for what they can. Some protest education. Some protest medicine. We all do what we can and what we can do with mininimum deviation to our usual lifestyles.

Saingy vonona hijoro amin'izany olana izany ny olona. Miatrika olana amin-taonina ity firenena ity. Mijoro ho an'izay azony atao ny olona. Misy ny mijoro ho amin'ny fampianarana. Misy ny mijoro ho amin'ny fitsaboana. Manao izay azontsika rehetra atao sy izay azontsika atao amin'ny fiodinana farafahakeliny indrindra ao amin'ny fombam-piainantsika mahazatra isika.

Nizarazara ny hevitra mikasika ny hoe tokony hosaziana sa horoahina ireo mpiambina. Naneho ny heviny tao amin'ny Facebook i Mihiri Lakshini Weerasena mba tsy handray fepetra mafy ho an'ireo mpiambina roa ireo:

The blame is on whoever INSTRUCTED the guards, most probably verbally. […] They shouldn't be sacked, scapegoated, or reprimanded. Their behaviour is just a result of an attitude adopted by their higher-ups. The apathy of victims before this, who failed to correct this sort of thing when it first turned up probably only strengthened the ministry's conviction that these sort of orders are ok to give out.

Go to the root of the problem, which is probably with some stone-age man sitting behind a desk at the cultural ministry!

Ho an'izay NANOME BAIKO ireo mpiambina ireo ny tsiny, angamba am-bava ny baiko. […] Tsy tokony ho voaroaka, hisolo vaika ny ankalana, na saziana izy ireo. Vokatry ny toe-tsaina nananan'ny lehiben'izy ireo fotsiny ny fitondran-tena. Ny tsy firaikan'ireo niharam-boina talohan’ izany, izay tsy nahavita nanitsy izao karazan-javatra izao tamin'ny nisehoany voalohany dia nanamafy tokoa ny fijerin'ny minisitera fa izany karazana baiko izany dia azo omena.

Mandehana any amin'ny fototry ny olana, izay azo antoka fa olona taraiky be mipetraka eo amin'ny biraon'ny ministeran'ny kolontsaina!

Nitsidika ny tsangambaton'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ny Minisitra lefitry ny Raharaham-bahiny Sri Lankana Dr. Harsha de Silva tamin'ny 6 Martsa mba hanadihady ny fiampangana fa nandroaka mpifankatia tsy mbola mpivady ireo mpiambina. Voalaza fa niresaka tamin'ny Praiminisitra Ranil Wickremesinghe momba izany izy, ary avy eo nanombe baiko ny Minisiteran'ny Kolontsaina ny praiministra mba hanafoana ny fifanarahana amin'ny orinasam-panjakana tompon'andraikitra amin'ny fiarovana ao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena.

Nanoratra tao amin'ny Facebook Dr. Silva fa nangataka ny hanesorana ny talen'ny fampandehan-draharaha ao amin'ilay orinasan'ny fiarovana ihany koa ny praiminisitra . Hoy izy nanoratra:

This whole episode seem to be divided in some agreeing and others disagreeing with me. However what the whole country sees is that at least there is healthy debate and the government is listening.

Toa mizarazara be ihany ny hevitra amin’ ity andian-tantara ity satria miombon-kevitra ny sasany ary tsy miombon-kevitra amiko kosa ny hafa. Na izany aza, ny zavatra hitan'ny firenena iray manontolo dia nisy farafahakeliny ny adihevitra salama ary mihaino ny governemanta.

Nilaza tamin'ny fanambarana ny governemanta fa fananam-bahoaka ny Kianjan'ny Fahaleovantena ary mahazo mankao sy mijery ny tsangambato tsy misy herisetra daholo ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Fandresena ho an'ireo mpanao hetsi-panoherana sy izay rehetra nanohana izany tokoa izao.

Tsara ny nataonao Jon! Pao-tsatroka ho an'ireo izay tompon-kevitra tamin'ny #OccupyTheSquare  sy nandray anjara tamin'izany.

Tsy mbola tapitra ny tolona, hoy i Maryam Azwer nampitandrina:

While it appears that couples can now stay at Independence Square without being harassed by authorities, it is yet to be seen whether or not they will be granted equal freedom in other public areas like Vihara Maha Devi Park.

Na dia toa hita fa afaka mijanona ao amin'ny kianjan'ny Fahaleovan-tena tsy iharan'ny herisetran'ny manampahefana aza ny mpifankatia ankehitriny, ho hita eo raha mahazo fahalalahana mitovy izy ireo na tsia ao amin'ny faritra natokana ho an'ny daholobe tahaka ny Zaridaina Vihara Maha Devi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.