Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2013
Filatroana Pakistaney Iray ‘Avia ho Andevoko’ Voakilasy Ho ‘Mpanavakava-Bolonkoditra’
Nitarika fahatezerana manerana ny firenena ireo andian-tsary amin'ny boky novokarin'ilay tanora mpamorona lamaody ao Pakistana noho ny fisian'ny sarin'ankizy manana hoditra matroka manompo mpilatro mazava hoditra. Novokarin'i Aamna Aqeel ireo karazan'akanjo...
Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh
Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro ny 9/11.
Fiambenan'ny Media Sosialy Ny Fifidianana Manan-tantara Ao Pakistana…
Satria miha-manantona ny tetezamitany demokratika voalohany eo amin'ny fitondràna i Pakistana miaraka amin'ireo fifidianana manan-tantara ho an'ny firenena afaka andro maromaro, amporisihan'ireo media sosialy ny vahoaka Pakistane mba handray anjara mavitrika amin'ny fifidianana.
Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan
Mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amin'ny kibay) manana ny lazany, niofo ho mpanao politika i Imran Khan, nahasarika tanora marobe sy mpifidy avy ao andrenivohitra ny fampielezan-keviny mampanantena “Pakistana Vaovao” tamin'ny...