Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Febroary, 2020

Bangladesh, Pakistàna ary Amazonia, ventesin'ireo vehivavy indizeny ilay hira “Misy mpanolana eo amin'ny làlanao”

Mbola mitohy misy fiantraikany manerana izao tontolo izao ilay hetsika tselatra nataon'ny fikambanana shiliàna "Las Tesis", miampanga ireo herisetra manavakavaka vehivavy sy ny fanararaotana ara-nofo.

Tsy misy fahamarinana ao Népal satria politisiana voampanga ho namono olona no voafidy ho filohan'ny antenimiera

Sapkota, voampanga ho namono olona, no nisolo toerana ny filoha teo aloha nitantana ny antenimiera, izay voampanga ihany koa tamin'ny resaka fanolànana, manamaloka ny tontolom-pitsaràna ao Nepal no sady mampiroborobo ny kolontsain'ny tsimatimanota.

Afaka mianatra anaty sekoly an-tsambo ireo vondrom-piarahamonina dibo-drano any Bangladesh

Manolotra ny fanabeazana fototra tena ilain'ny ankizy Bangladeshta izay tsy afaka mianatra mandritra ny vanim-potoanan'ny rivotra sy ny orana ny sekoly an-tsambo.

Fanantenana ny amin'ilay fiteny Nepali andalam-pahafatesana rehefa nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-85 taonany ny olona farany nahay ity fiteny ity

Iray amin'ireo olona roa mahay miteny tsara ny fiteny Kusunda i Gyani Maiya. Mandalo fotoan-tsarotra tsy hay honerana ity fiteny ity noho ny fahafatesany.

Loza mitatao ho an'ny taokanto fahagola ao Punjab, India ny sondrobidin'entana sy ny haba lafo loatra

Noho ny fiakaran'ny vidin'ny hazo avy ao Shisham, mitontongana ny lazan'ny fanaovana taozavatra vita sokitra sy raritakelaka avy amin'ny hazo ao Hoshiarpur any Punjab, India

Ao Kerala, an-tapitrisany no nanao rojo olombelona ho fanoherana ny lalànan'ny mahaolompirenena ‘anti-miozolomana’ ao India

Amin'ireo vahoaka ireo no ahitana politisiana, mpikatroka ara-kolontsaina, mpitari-pivavahana, artista ary olompirenena feno ahiahy.

Fanavahana ireo vondrom-piarahamonina anjorom-bàla ao India tsy hahazo torohay natao ho an'ny rehetra

Asongadin' i Subhashish Panigrahi ireo fanamby sy fahafaha-manao mifandraika amin'ny fahafahan'ireo vondron'olona anjorom-bàla ao India hahazo ny torohay natao ho an'ny daholobe.

‘Famoretana manahiran-tsaina mahazo ny fahalalahan-gazety’: Sakanan'i Pakistan ankitsirano ny Slate.com

Fanindroany izao no voakasaka ny tranonkala tamin'ny taona 2019 ary fanintelony raha raisina hatramin'ny taona 2018.

India, niteraka adihevitra momba ny rafitry ny fitsaràna ny namonoana tsy nandalo fitsaràna ireo efatra voampanga ho nanolana

Marobe no nitehaka ny polisy ao Hyderabad noho ny nakàny ny toeran'ny mpitsara sy mpanapa-doha.

Melohin'ny mpiaro ny tontolo iainana ny fanapahan-kevitry ny Sri Lankey hamatsiana fitaovam-piadiana ireo vondrona ao an-toerana hiadiana amin'ny elefanta

"Moa ve i Sri Lanka, izay manaisotra ny elefanta mahatalanjona ankehitriny ao amin'ny Harem-pirenena mba ho biby mpandravarava no ho nosy paradisa nofinofisin'ireo mpizahatany maoderina?"