Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Janoary, 2023
Nahatonga olona an'arivony maro tao amin'ny tanàna indiàna iray ambony havoana ho lasa tsy manan-kialofana ny “filentehan'i Joshimath”
Miatrika fifindran-toerana ny mpinona any Joshimath, tanàna iray ao Himalaya any India, noho ny vesatry ny asan'ny olombelona any amin'ny faritra iray mora itrangan'ny horohoron-tany.
Manodina ny adihevitry ny daholobe ho any Nepal ny ampamoaka nataon'ny #MeToo tsy ela akory izay
Niteraka fidinan'olona an'aliny eteny an'arabe tao an-drenivohitr'i Nepal ny fijoroana vavolombelona nataon'ny olona iray sisampatin'ny fanolànana. Nipoitra tety an-tambajotra ihany koa ny hetsika #justiceforsushmita (NyRarinyHoAniSushmita)
Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal
Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal izay ampiasaina hanontana vola taratasy japoney. Antenaina fa iray amin'ireo fanondranana malaza indrindra ao Nepal ny Argeli.
Undertones ao Pakistan: Miaramila, Vehivavy, Fanevatevana
Mizara ny sasany amin'ireo fitantarana lehibe indrindra nivezivezy tany Pakistan tamin'iny taona iny ny mpikaroka
Novonjena avy any an-dranomasina, nahoana ireo Rohingya mpitsoa-ponenana no niafara any anaty toby fihazonana ao Sri Lanka?
" ... Tsy niditra tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na nanadrana niditra tao Sri Lanka [ry zareo], fa ny olon'ny tafika an-dranomasina namonjy azy ireo avy any anaty sambo iray tra-pahasahiranana no nitondra azy ireo"
BBC Bangla: nandefa ny fandaharany farany taorian'ny 81 taona niasàny
Nandritra ireo krizy tao Bangladesh nandritra ny taompolo maro, loharanom-baovao tsy nitanila ny BBC Bangla ary azo nianteherana. Manamarika fiafaràna vanim-potoana iray ny fikatonany
Ny farany tamin'ireo mpitsabo ara-pomban-drazana Tharu ao Népal
Noho ny tsy fahalinan'ny tanora aminy, ho levona tsy ho ela ny fahalalàn'ireo mpitsabo ara-pomban-drazana ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Tharu ao Nepal
Tsy mahatoky intsony ny antoko BJP ao India ny mpanohana rehefa nampiatoana ny mpitondra teniny
Nesorin'ny antoko Bharatiya Janata Party (BJP) ao India ny mpitondrateniny roa noho ny fanerena avy amin’ny filazana fa fanamarihan’izy ireo momba ny Mpaminany Muhammad, izay nalaza tamin’ny lohatenim-baovao tany India sy tany ivelany.