Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Septambra, 2012
Mihetsika Noho Ilay Sarimihetsika Manohitra Silamo i Pakistan
Nihetsika noho ilay sarimihetsika manohitra ny silamo i Pakistan, ilay niteraka ny fahafatesan'ny Ambasadaoro Amerikana tao Libia. Nanamafy ny fiarovany ireo masoivoho diplaomatika manerana ny firenena, saingy hatreto an-katezerana ireo hetsi-panoherana saingy tsy misy herisetra.
Bangladesh: Takela-dokambarotra Ratsy Sady Mahafaty ao Dhaka
Mponina eo amin’ny 13 tapitrisa eo no monina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Manana hakitroky ny mponina eo ho eo amin’ny 28000 isaky ny kilometra tsimivadimandry. Rivotra maloto, rano maloto, fitohanan’ny...
India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda
Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray 'Jal Satyagraha' amin'ny filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampakatra ny haavon'ny rano ao amin'ilay tohodrano.