· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Febroary, 2012

Pakistan: Famahàna Ny Olana Balochistan

Ny vahaolana iray naroson'ilay ranamana mpikambana ao amin'ny kaongresy Amerikana, Dana Rohrabacher, momba ny Balochistan dia nampisavorovoro ny rivotra politika ao Pakistana. Tonga avy any amin'ny governemanta sy ireo antoko mpanohitra mpanohitra ao amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanamelohana.. Na izany aza, ireo nasionalista Baloch dia mitaraina amin'ny fisomparana ny zon-dry zareo.

28 Febroary 2012

Maldives: Voamariky ny Herisetra

Nandray kihon-dalana mahatsiravina ny olana politika ao Maldives tamin'ny Alarobia teo rehefa nodarohan'ny polisy an-kerisetra sy noratrainy ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Mohamed Nasheed, teo ampanaovana hetsi-panoherana manohitra ny lazain-dry zareo ho fanonganam-panjakana nahatonga ny fanesorana teo amin'ny fitondrana ny filoha voalohan'ity nosy ity voafidy tamin'ny fomba demaokratika.

10 Febroary 2012

Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Aterineto."

09 Febroary 2012

Pakistana: Politika Ara-maoralin'ny Fifanomezam-potoanan'ireo Mpifankatia Nahatonga Fanakanana Fandaharana Iray Ao Amin'ny Fahitalavitra

Tanatinà fandaharana amin'ny maraina ny tambajotra fampahalalam-baovao Pakistane Samaa TV izay nahitàna ny mpanolotra io fandaharana io, Maya khan, sy vondrom-behivavy salantsalan-taona nihodidina ireo toeram-pitsangatsanganan'i Karachi naka sary ireo mpifankatia mitsidika ireo toeram-pitsangatsanganana ireo izay mifanao fotoana tsy eo ambany fahalalàn'ny mpambina azy akory. Nirongatra ireo fanoherana ao amin'ny media sosialy izay nitondra tamin'ny fandroahana ilay mpanolotra fandaharana sy fanafoanana io fandaharana io ao amin'ilay tambajotra.

08 Febroary 2012

India: Sedra Vaovao Hiadiana Amin'Ny Raboka Eran-tany

Nipoaka ny tontolon'ny media Indiana ny herinandro lasa teo noho ireo tatitra avy any Mombai momba ny karazana raboka iray (TDR-TB) tena mahatohitra ny karazana fitsaboana fantatra rehetra. Raha namoaka fanambarana ny Fikambanana momba ny Fahasalamana Eran-tany handàvana ny fomba fiteny TDR-TB, nipoaka ny tontolon'ny bilaogy fa na inona na inona iantsoan'izy ireo izany, tokony handray fepetra mahakasika izany izy ireo.

01 Febroary 2012