Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2020

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2020

Mampiseho ny krizin'ny COVID-19 ao amin'ny firenena ny Nepaley mpanao sariitatra

Nampiasa fanesoana sy vazivazy ny mpanao sariitatra Nepaley hanehoana ny fihibohan'ny firenena.

Voatsikera tamin'ny famariparitana ratsy ny renivohitr'i Bangladesh ny ‘Extraction’ navoakan'ny Netflix

Nahatonga tsikera sy adihevitra maro ny filma malaza navoakan'ny Netflix mitondra ny lohateny hoe “Extraction” noho ny famariparitana tsy araka ny tokony ho izy an'i Bangladesh sy ny Bangladeshita.

Ny COVID-19 iadian'i Pakistan, ny andiam-balala mandravarava ny fambolena

Efa nandravarava ny faritra maro amin'i Afrika, ny saikanosy Arabo ary Azia Atsimo ny loza ateraky ny valala.

Sambany tany Nepal no nahitana bibilava kukri mitsipitsipika manan-doha roa 

Nomena anarana araka ny nifiny maranitra sy fisaka ary miforitra izay ampiasainy rehefa manapaka ny atodin'ny biby mandady ny bibilava kukri mitsoriadriaka, miloko volontany matroka mitsipitsipika mainty.

Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan

Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritany Balochistan any Pakistan ny mpitsabo matihanina mba hanomezana azy ireo ny Fitaovana Fiarovana Manokana (PPE) mba hiarovana azy ireo amin'ny fifindran'ny coronavirus avy amin'ireo marary kanefa nosamborina ry zareo.