Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2012
Bangladesh: Shawpno Rath – Sekoly Iray Ho An'ireo Ankizy Avy Eny Ambany Tanàna
Tao Dhaka, Bangladesh, dia andian-jatovo iray no nanomboka nametraka ny atao hoe 'Shawpno Rath' (KAlesin'ny Nofy), miaraka amin'ny tanjona fampidirana an-tsekoly ireo ankizy sahirana. Mino ilay vondrona fa soroka miara-milanja tsy azo ihodivirana amin'ny ady atao handresena fahantrana ny fanabeazana.
Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter
Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.
Nepal: Shristi Shrestha No Misalotra Ny Oliravina Nepal 2012
Nanako eny amin’ny fifanakalozam-baovao rehetra ara-tsosialy ny resaka Oliravina Nepal tamin'ny nifidianan'ny mpikarakara an’i Shristi Shretha nandritra ny Famaranana lehibe momba ny hatsaran-tarehy sy bika tamin’ity taona ity. Tao amin’ny...
India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary
Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka...
Bangladesh: Nidina An-dalambe Ny Mpamahana Bolongana Noho Ilay Famonoana Mpivady Mpanao Gazety
Telo volana izay no lasa taorian'ny namonoana ireo mpivady mpanao gazety Sagar Sarwar sy Meherun Runi. Hatramin'izao anefa, mbola tsy nahitana mangirana ny fanadihadiana niantsorohan'ny polisy mikasika ny antony nahafaty azy mivady....
Pakistana : Mbola Velona Hatrany i Saadat Hasan Manto, Ilay Mpanoratry Ny Vanim-potoana Fitsinjarazaràna
Saadat Hasan Manto (1912-1955) dia mpanoratra sombin-tantara, mpanoratra tantara foronina ary koa mpandika teny avy Punjab. Ankehitriny ny faha zato taonany dia ankalazaina manerana an'i Pakistana sy India koa.
Pakistana: Fihetseham-pon'ny Olona Manoloana Ny Didim-pitsarana Manafintohina Azon'ny Praiminisitra
Nifarana ihany ny toe-draharaham-pitsarana nahavoarohirohy an'ny Praiminisitra Pakistaney Yousuf Raza Gilani. Didim-pitsarana sarintsariny 37 segondra fotsiny no sazy navoakan'ny fitsarana ho an'ny Praiministra, ho famaranana ny raharaham-pitsarana naharitra tao anatin'ny telo volana....
Sri Lanka: Miatrika Fitobahan'ambim-bava Avy Amin'ny Fambolena
Miatrika karazana fanamby vaovao ny governemanta ao Sri-Lanka, miatrika ny fitobahan'ny ambim-bava amin'ny vary. Na izany aza anefa, tantsaha iray ao Sri Lanka no mitondra fanazavana ilay bilaogera momba ny fijalian'ireo mpamoka-bary ao Sri Lanka, izay tsy mahazo ny sanda sahaza ny vokatr'izy ireo.