· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Desambra, 2010

COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka

  31 Desambra 2010

Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

  27 Desambra 2010

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?

Nepal: Mpanao gazety notafihana noho ny fanaovana tatitra iraisam-pirenena

GV Mpisolovava  25 Desambra 2010

Shreedeep Rayamajhi, mpanao gazety Nepale dia sady mpanao gazety no mpitoraka bilaogy matihanina, manoratra ho ana Fikambanana Fampahalalam-baovao iraisam-pirenena toy ny GroundReport sy ny  CNN's iReport.  Rayamajhi dia manoratra ihany koa ho ana gazety an-tsoratra manana ny lanjany ao an-toerana ihany, toy ny ‘the Nepal Travellers Publication’, sady miasa ho...

Pakistan: Aasia sy Aafia – Ny tantarana vehivavy Pakistane roa

  15 Desambra 2010

Maro ny Pakistane no mahatsiaro ho voakasika amin'ny tranga mahazo an'i Aasia Bibi (vehivavy pakistane kristiana iray voaheloka ho faty fa hoe naniratsira finoana) sahala amin'ny fanahian'izy ireo momba ny fitazonana an'i Aafia Siddiqui (voaheloka hifonja 86 taona any Etazonia).

India: Andro iray ahafahan'ireo vehivavy milalao sy mandihy

  13 Desambra 2010

India Unheard dia mampiseho antsika fankalazàna roa samihafa avy amin'ny faritra samihafa manerana ny firenena izay ahafahan'ireo vehivavy manambady avy amina vondrom-piarahamonina ara-poko, mandritra ny iray andro monja, mifaly havanja sy mandihy imasom-bahoaka tsy misy sakantsakana.

India: Heloka ve ny fampitàna mailaka?

  06 Desambra 2010

Niteraka fifanoherana ny lalànan'i India momba ny aterineto, noho ny fanararaotana amin'ny fampiasàna azy. Nosamborina i Moithu (47), mpiasan'ny governemanta ao amin'ny fitondràna Indiana Kerala,  noho ny nampitàny mailaka vazivazy tany amin'ny namana vitsivitsy, momba ny tsifahombiazan'ny Antoko CPM (Communist Party-Marxist) tamin'ny fifidianana. Tamin'ny fifidianana farany tany amin'ny fanjakàn'i Kerala,...