Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jona, 2017
Erantany: Mamono Jiro, Ho An'ny Planeta
Nasehon'ny tontolon'ny bilaogy avokoa ny fisehon'ireo fihetsika rehetra, nanomboka teo amin'ny fanantenana sy ny fanohanana ka hatramin'ny tsikera sy ny fanomezana henatra.
India: Fikambanan'ny Asa Fanaovan-gazety Miaraka Amin'ny Video Volunteers
Ny Video Volunteers na Mpaka Sary Mpilatsaka An-tsitrapo dia fikambanan'ny mpamokatra fampitam-baovao tsy mitady tombontsoa avy amin'ireo tanànakely sy trano bongo ao India, izay mamorona votoaty manan-danja ho azy ireo sy mandefa izany hojeren'ny vondrom-piarahamonina.
Mitombo Any India : Mifampitantara Amin'ny Lahatsary ireo Tanora
ity lahatsary farany avy amin'ny Noida Public School any Delhi ity dia manome antsika fomba fijerin-dehilahy, ary manadihady ny mahatonga ny fifohan'ny adolantsento sigara ho vokatry ny olana any an-trano sy ny fitaoman'ny namana.
Rahonan'ny Polisy Amin'ny Alàlan'ny Twitter Hoe Hosamborina ireo Maldiviana Bilaogera Any Ivelany
Maldiviana efatra mpitoraka bilaogy sady mpikatroka izay mipetraka any ampitan-dranomasina ho nandefasana didy fisamborana avy any amin'ny polisy tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny fahitana azy dia toa nokendrena izy ireo satria manondrotra ny tsy fironana amin'ny finoana, na izy ireo tsy mpino.
Miady Hevitra Momba Ny Fampijaliana Biby Mandritra Ny Fetibe Dashain Ao Nepal
Am-pifaliana no hankalazan’ireo Nepaley manerana ny tany ny Dashain satria mampiray ireo vondrom-piarahamonina sy ireo fianakaviana izy io. Kanefa tato ho ato, voatsikera ity fialantsasatra malala ity noho ny antony maro, fa indrindra indrindra noho ny fampijaliana biby.
Manàmbana Haka An-keriny Vehivavy Indiana Ao Amin'ny Facebook Ny Vondrona ‘Cyber Warrior’
Mety hitarika vokany henjana eo amin'ny fiainana tena izy, indrindra ho an'ireo vehivavy, ireo fandrahonana miendrika famonoana sy fakàna ankeriny olona .
Ny Antony Anoheran'ny Dokotera Sy Ny Mpianatra Ny Sekoly Tsy Miankina Hany Fianarana Ho Dokotera Any Sri Lanka
"Ho hita eo raha mbola hanohy hanaisotra ny zon'ny tanorantsika hanaraka fampianarana tsy miankina ho dokotera any Sri Lanka ireo Dokotera 'Mafia'"
Bahrain: Hanina An'i India
Maro ny Bahrainita mianatra eny amin'ny oniversite sy kolejy ao India, ary iray amin'izy ireo ilay bilaogera antsoina hoe MuJtAbA AlMoAmEn. Vao haingana izy no nanoratra momba ny fihetseham-pony mikasika ny malahelo an'i Bahrain tamin'izy tany India - sy ny faniriany hiverina any India taorian'ny fialan-tsasatra lava be tao Bahrain.
Bangladesh: Misioka sy Mibilaogy Momba Ny Horohorontany
Namely ny tanànan'i Dhaka tamin'ny 27 Jolay tamin'ny 00:51 ora teo, ora Bangladesh (+6 GMT) ny horohorontany antonony. Mitatitra izany ao amin'ny bilaoginy i Russell John:
Sary Mampiseho Ny Hatsaran-tarehin'ny Lolo Ao Nepal
Jereo akaiky ny karazany, ny teboka, ary ny lokony amin'ny alàlan'ny sarin'ilay mpaka sary Susheel Shrestha.