Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2023
Nomen'ny Fitsarana Tampony baiko ny fanjakana ao Nepal hampanara-dalàna ny fanambadian'ny samy lehilahy na ny samy vehivavy
Tamin'ny 2 Mey 2023, natao ho ara-dalàna tamin'ny baikon'ny Fitsarana Tampony tao Nepal ihany ny farany ny fanambadian'ny samy lahy na ny samy vavy taorian'ny fifandirana momba ilay lalàna nandritra ny taona maro.
Mikendry ny fanakanana ny fihetsiketsehana sivily ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana natolotr'i Sri Lanka
Mihamitombo ny tsy fitovian-kevitra ao Sri Lanka manoloana ny Volavolan-dalàna momba ny Ady amin'ny Fampihorohoroana (ATA), izay natao hanoloana ny Lalàna momba ny Fisorohana ny Fampihorohoroana (PTA) efa misy sy ny volavolan-dalàna miaraka aminy.
Nandrakitra zava-bita tsara indrindra maneran-tany roa tamin'ny fampisehoana goavana tany India ny dihy Bihu Assam
Tamin'ny 13 Aprily, mpandihy Bihu miisa 11.304 sy mpitendry amponga 2.548 no nivory ho amin'ny fampisehoana Bihu lehibe indrindra tao Guwahati, renivohitry ny Fanjakan'i Assam, Indiana, ary nahazo ny firaketana zava-bita manerantany roa.