Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jolay, 2013
Mpifankatia Lesbiana Nosamborina Fa Nifanambady An-tsokosoko Tao Bangladesh
Sokajiana ho fanambadiana voalohany eo amin'ny olon-droa mitovy taovam-panahanana ny fanambadian'ireto vehivavy roa ireto. Sazian'ny lalàna an-tranomaizina mandram-pahafaty anefa ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana ao Bangladesh.
VIDEO: Mpanolotra TV Pakistaney Manolotra Zaza Roa ho Valisoa Mandritra Ny Seho Ramadany
Ny fanaovana ny zazakely ho fanomezana ve no hirika hitadiavana laharana ambony, tahaka ny nataon'ilay Televangelisitra Dr. Amir L. Hussain nanolotra zaza roa ho fanomezana nandritra ny volana Ramadany?
Mamakivaky Ny Tantaran'i India Indray Amin'ny Alalan'ny Sarim-pianakaviana
Lahatsoratr'i Ayesha Saldanha nadikan'i Naomy miresaka momba ilay tetikasa manangona sarim-pianakaviana manoritra tsimoramora ny tantaran'i India. Lasa mitantara ny tantaram-pianakaviany ihany koa ny olona noho ilay tetikasa.
India : Ankizy Ampolony Namoy Ny Ainy Noho Fihinana Sakafo Misy Poizina Tany An-tsekoly
Lahatsoratr'i Chirag Sutar nadikan'i Naomy miresaka momba ny fanodikodinan-tsakafo miteraka fanafintohinana mahatonga fisiana sakafo voapoizina ity.
Kerala, Sehatry ny Angovo avy amin'ny Masoandro ao India, Voasaringotra amin'ny Resaka Hosoka Ny Governemanta
Raha nandrafitra ny politikan'ny angovo azo avy amin'ny masoandro mifantoka amin'ny fametrahana angovo azo avy amin'ny masoandro ho an'ny tsirairay ny fanjakana Indiana ao Kerala vao haingana, dia noheverina hitondra...
Nataonà Tra-boina Antsangory Ilay Mpanao Gazety Indiana Teo Am-pitaterana Ny Vaovao
Ao anatin'ny vaovao ratsy i Narayan Pargaien, mpanao gazety Indiana. Hita nilaza ny vaovao momba ilay safodrano vao haingana tany Avaratr'i India any Uttarakhand, teny ambony sorokà tra-boina izy. Henjana ny fitsikeràn'ny mpiserasera amin'ny aterineto izany hetsika izany.
Reny sy Zanakavavy Pakistaney Notifirina Fa Nandihy Nandritra Ny Orana
Nisy reny sy ny zanany vavy mbola vatombatony roa notifirin'ny lehilahy dimy manao sarontava niditra tao an-tranony ho faty tao an-tanàna kelin'i Chilas any Gilgit, Pakistan; firenena izay lazaina fa voninahitra ny mamono.
Nepal : Mpanao Gazety Voasambotra Fa Namoaka An-Gazety Ny Fiainana “Firaisana Ara-nofo” Tao Aminà Sekoly Iray
Mpanao gazety Nepale telo voaheloka ho namoaka vaovao mahatezitra sy manala baràka tamin'ny aterineto no voasambotra tamin'ny herinandro teo. Nentin'ny mpitandro filaminana hotanana vonjimaika izy ireo taorian'ny fitarainana napetraky n y manampahefana avy ao amin'ny Oniversitem-panjakana zay nitory azy ireo ho namoaka lahatsoratra momba ny fampiasan'ny mpianatra zazavavy baranjely ho solonà filahiana.