Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Aogositra, 2020
Pakistan: Maty voatifitra tao amin'ny efitrano fitsarana ny lehilahy iray voampanga ho manevateva an'Andriamanitra. Noderaina ho maherifo ilay namono azy
Tsy vaovao any Pakistan ny famonoana olona tsy mandalo fitsarana voampanga tamin'ny fanevatevana.
Sokatra volamena tsy fahita — voalohany amin'ny karazany — hita tao Nepal
Nahasarika ny fifantohan'ny maro ny fahitana sokatra mavo tany India, saingy tsy vao izao no nahitana iray tahaka izao.
Nanery an'i Pakistan hihiboka indray ny OMS rehefa nitombo ny trangana coronavirus
Nametraka ny fepetra fihibohana vaovao i Pakistan taorian'ny taratasy avy amin'ny OMS nandrisika ny firenena hanatsara ny fanaovana fitiliana sy ny famehezana ny fitomboan'ny isan'ny trangan'ny valan'aretina.
Iharan'ny fihazana tsy ara-dalàna ny biby mpirenireny srilankey mandritra izao areti-mandringana izao
Ny fitomboan'ny tsy fananana asa mandritra ny fisian'ny valan'aretina COVID-19 no ampangaina ho niteraka fihazana tsy ara-dalàna ny biby mpirenireny.
Nampihena ny fifandonana teo amin'ny olombelona sy ny elefanta ny ‘Bisy Sakaizan'Elefanta’ voalohany eran'izao tontolo izao ao Sri Lanka
Nihena hatramin'ny 80% ny fifandonan'ny elefanta sy ny olombelona hatramin'ny nandehanan'ny Bisy Sakaizan'Elefanta. Tao anatin'ny fito volana voalohany, nidina ho 21 ny isan'ireo fifandonana raha 83 izany teo aloha.