Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Janoary, 2021
Hetsi-panoherana manoloana ny setriny ataon'i Nepal amin'ny ady amin'ny COVID-19 ataon'ny tanoralahy iray
Natsangan'i Iih, Nepaley mpikatroka, ny hetsika ara-piarahamonina iray, ary nandeha 167 km izy hanintonana ny fifantohana amin'ny tsy fetezan'ny setriny ataon'i Nepal manoloana ny valan'aretina -- sy nanampy ireo izay niantraikàny mafy.
Nahomby ny ‘Diaben'ny Aurat’ nokarakarain'ny vehivavy tany Pakistan na dia teo aza ny fandrahonana
Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, vehivavy, olona niova fananahana, ankizy ary lehilahy an'arivony maro no nandray anjara tamin'ny Diabe Aurat fanao isan-taona tany amin'ireo tanàndehibe Pakistaney samihafa mba hanasongadinana ny zava-tsarotra iainan'ny vehivavy.
Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto
Nanaovana herisetra, novelesina kibay ary nosamborina tao Quetta, Balochistan ny mpianatra maromaro noho ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny aterineto taorian'ny niovan'ny fampianaran'izy ireo ho ampitain-davitra vokatry ny fepetran'ny COVID-19.
Fanatanterahana ny fanafahana an'i Kaavan, ilay elefanta manirery indrindra manerantany
Efa ela ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby no nitaraina tamin'ny fampijaliana sy ny fomba fitazomana ny biby ao amin'ny valan-javaboary ao Pakistan.
Nanome baiko ny fananganana indray ny tempoly Haindò noravan'ny andian'olona notarihin'ny mpitondra fivavahana Miozolomana ny Fitsarana Tampony ao Pakistan
Nosamborina ny mpitondra fivavahana iray avy amin'ny antoko politikam-pivavahana elatra havanana Jamiat Ulema-e-Islam-Fazl (JUI-F) izay voaroiroy tamin'ny zava-nitranga.
Ireo nahandro nepali ankafizin'ny chef Santosh Shah indrindra
Lasa olo-malaza ilay chef nonina ao Londres rehefa tonga teo amin'ny laharana faharoa tamin'ny fifaninanana "MasterChef: The Professionals" karakarain'ny BBC.