Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Febroary, 2015
Mety Ho Avotry Ny ‘Big Data’ Ve Ireo Tigra Mpiriorio Sisa Any India ?
Amin'ny fandalinana ireo fandinihana 25.000 nataon'ny tsirairay dia mahita hirika hisamborana ireo mpihaza tigra antsokosoko amin'ny làlany ny mpiaro ireo biby mpiriorio.
Tsidiho Amin'ny Alalan'ny Solosainao Noho ny Fisian'ny Google Street View i Bangladesh
Nanomboka niasa tamin'ny 5 Febroary ny Google Street View ao Bangladesh. Namoaka ny fifaliany tamin'ny fahitana ny lungi-ny, fitafy mitovy amin'ny sarong, nipoitra tamin'ny sary (nihantona tao an-davarangana) ny mpisera Facebook iray.
Resahina amin'ny Mpanao Zaridaina ho Vazy Manaja Tontolo Iainana ny Fakom-Boanio
Ahafahana mitahiry hatramin'ny vazy plastika 100 tapitrisa tsy hiafara any amin'ny daba fanariam-pako ny fampiasana vazim-bolom-boanio izay azo ambolena mivantana ao amin'ny zaridaina.
Hanome Valisoa (Vola) Mihoam-pampana Hoan'izay Mahafaty Ny Tompon'ny Charlie Hebdo Ilay Mpanao Lalàna Pakistaney
Nilaza i Haji Ghulam Ahmed Bilour fa hanome valisoa 200,000 dolara hoan'izay namono ny tompon'ny gazetiboky ary 100,000 dolara hoan'ireo mpandova ireo mpanafika ny Charlie Hebdo. Antsoin'ny sasany ho fisehosehoana mampidi-dooza ataon'ny PR izany.