Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Elefanta Ao An'efitrano

Amin'ity fizarana ity, mitondra anao any Somalia, Japana, Shina, Pakistana ary Kiobà izahay.

Voalohany indrindra, mitantara aminao momba ny elefanta iray manirery antsoina hoe Morgan izay namakivaky 220 kilaometatra niala tao Kenya [mg] sy ny mety ho marik'izany ho fanantenana ho an'i Somalia rotidrotiky ny ady izahay.

Avy eo, mitondra tantara iray nentin'ny tonian-dahatsoratra ao Japana, Nevin Thompson tamintsika momba ny tetikasan-tsarintany mandrakitra ny fivezivezena farany nataon'ireo niharam-boina tamin'ny tsunami 2011 [mg] izahay. Aorian'izany, hifindra ao Pakistan isika ka hiresaka tantara tsara fiafara naharitra dimy taona nisian'ny fakàna an-keriny, fisarahana ary fisalasalana.

Ao Shina, hilaza aminao momba ireo mpiserasera tsy manana na inona na inona afa-tsy esoeso ho an'ilay mpamorona ny Facebook, Mark Zuckerberg  [fr] – noho izy namoaka sary – mihazakazaka madinika manodidina ny Tanàna Voaràra ao Beijing – tao amin'ny kaontiny Facebook izahay. Nanintona antsika momba izany tantara izany ny tonian-dahatsoratra avy ao avaratra atsinanan'i Azia, Oiwan Lam.

Farananay amin'ny resadresaka amin'i Ellery Roberts Biddle, talen'ny tetikasa Fiarovana (Advocacy) ny fizarana, resaka momba ny fitsidihan'ny filoha Amerikana Obama tao Kiobà tamin'ny herinandro lasa. Fitsidihana voalohany nataon'ny filohan'i Etazonia am-perinasa izany hatramin'ny taona 1928.

Amin'ity fizaran'ny Herinandro ao amin'ny Global Voices ity izahay nanasongadina mozika voaaro amin'ny Creative Commons avy amin'ny Arisivan-Kira Malalaka (Free Music Archive), anisan'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzzar, Mexico avy amin'i Jimmy PeElephant Walk avy amin'i Podington BearAguirre, the Wrath of God avy amin'i Gary Lucas, Fairy avy amin'i Second Hand Rose, ary De Cuba avy amin'i SONGO 21.

Ny fandraisam-peo Ny Herinandro tato amin'ny Global Voices dia nampiantranoin'ny toniam-baovaon'ny Global Voices, Lauren Finch sy ny tenako — Tonia Mpanatanteraka ato amin'ny Global Voices. Manantena hihaino ny feonay indray afaka tapa-bolana.

Sary nampiasaina tamin'ny Soundcloud thumbnail: Elefanta avy amin'ilay mpisera Flick Pauline Guilmot. Nalaina tamin'ny 15 Jiona 2014. (CC BY-NC-ND 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.