Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Marsa, 2013
Fanamboarana Ireo Paompy Mitete Ho Fikajiana Ny Rano Any Inde
Mety ho nahazo mari-pankasitrahana noho ny asasorany sy ny asatanany ny mpanoratra sy mpanao sary hosodoko Aabid Surti, fa sady nametraka ny dian-tongony taminà sehatra iray hafa ihany koa izy: ny fitehirizana rano. Nandritra ireo fito taona lasa izay, nandany ny Alahadiny mitety ireo trano any Mumbai ilay lehilahy 77 taona, ary manamboatra maimaim-poana ireo paompy mitete
India : Fanambatambazan'i India Ny Vehivavy Amin'ny Tetibola Vaovao
Miakatra 10 isan-jato ny vola afantoka amin'ny fandaharan'asa momba ny vehivavy amin'ny tetibola vaovao 2013-2014 any India. Nefa milaza ny sasany amin' ireo vehivavy sy mponina fa tsy ampy sy tsy mahavita zavatra akory ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemanta.
Fanafihana Ny Hindou Tao Bangladesh, Valifaty Noho ny Fanamelohana Ho Faty Ilay Lehiben'ny Islamista
Tsidiho ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana #Shahbag ao Bangladesy Niharan'ny fanafihana ireo Hindou ao Bangladesh, satria vonona amin'ny fampiharana herisetra goavana manerana ny firenena ireo Islamista tezitra tamin'ny didim-pitsarana fanamelohana ho faty...
Maty Nisy Namono i Parveen Rehman, Very Anjely Mpiambina Ny Ambanitanàna Lehibe Indrindra Ao Pakistana
Parveen Rehman, mpiasa sosialy mitàna ny laharana voalohany ao Pakistana, dia maty notifirin'olona tsy fantatra tany Orangi ilay heverina ho Ambanitanàna lehibe indrindra ao Karachi toerana niasàny nandritra ny taompolo telo. Nanaraka fiofanana momba ny tao-trano, tsy nitandro hasasarana ihany koa i Parveen niasa nanangona rakitra mikasika ireo tany ao an-tanàna tsy mitsaha-mitombo ao Karachi, mba hiarovana azy amin'ny mafia mpangala-tany, izay efa an-taonany maro no naharaisany fandrahonana ho faty.
Andian'Olona Tezitra ao Pakistan Mandoro ny Tanàna Kristiana Manodidina Azy Ireo Ao
Noho ny Fiampangana ho nanao fitenenan-dratsy ara-pivavahana, dia nisy andiana miozolomana 3000 nandoro trano 100 tany Joseph Colony, tanàna kristiana an-tsisitsisiny lehibe iray ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Pakistan dia i Lahore, tamin'ny Asabotsy 9 Marsa 2013.
Manova Fihetsika Amin'ny Fanambadian'ny Ankizy Ao India
Ao Azia Atsimo sy any ambanivohitra Afrika Atsimon'i Sahara no ahitana ny ankamaroan'ireo fanambadian'ny ankizy manerantany. Ao ambanivohitra India, 47 isan-jaton'ny tovovavy (tatitry ny UNFPA) no manambady alohan'ny faha-18 taonany. Ny Firenena...
Fandrarana ny Vishwaroopam : Fanitsakitsahana ny Fahalalaham-Pitenenana?
Vishwaroopam, sarimihetsika andaniana volabe ao Bollywood notantanina sy niaraha-tontosaina tamin'i Kamal Haasan, no nameno ny lohateny lehibe tamin'ireo gazety na dia talohan'ny nivoahany aza – saingy amin'ny endrika ratsy rehetra....
Gazety Nepali Manome Feo Ireo Vitsy An'Isa Odian-Tsy Hita ao Hong Kong
Nanadihady ny tonia lehiben'ny gazety tsy miankina Nepali iray, Ethnic Voice, miorina ao Hong Kong, ny inmediahk.net. Mandrisika ny Nepaley monina ao Hong Kong hiteny sy handray anjara amin'ny raharaham-bahoaka ihany koa ny gazety mivoaka isan-kerinandro.
An-tsary: Vahoaka Nitokona Tao Shahbag
Tamin'ny zoma 8 Febroary 2013, olona an'arivony no nanomboka nameno ny làlana Generation Shahbagh ho firaisankina miaraka amin'ireo mpibilaogy sy mpisera maro ao amin'ny aterineto nitokona vao maraina. Nizara sary mampiseho ireo olona marobe miangona ao Dhaka renivohitr'i Bangladesh i Arif Hossain Sayeed.