Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Febroary, 2016
Swasthani Vrata Katha An-Tsary: Fetim-Pifadian-Kanina Sy Fivavahana Maharitra Iray Volana Hoan'ny Mahasoa Ny Mpivady Ao Nepal
Nanomboka ity fomba ity rehefa nandany volana ifadian-kanina sy ivavahana amin'ny andriamanibavy Swashtani, i Parvati zanakavavin'ny Mpanjakan'i Himalaya , andriamanibavin'ny fitiavana, ny fahalonaka ary ny fanokana-tena.
Tovovavy Pakistane Iray Manantena Fa Ho Aingam-panahy Ho An'ny Hafa Ny Fitetezana Ataony Amin'ny Kodiarandroa
Milaza ny tenany ho "Zanakosy, 21 taona manao fitetezana an-kodiarandroa mirakitra tantara manerana ny tanin'i Pakistàna tsy manana n'inon'inona afa-tsy ny fo amam-panahiny malalaka" i Zenith Irfan
Aqeela Asifi: Mpampianatra iray Manohy Mitolona Any An-tSesitany
Alaivo sary ao an-tsaina ny hoe mpampianatra iray, 23 taona, ao aminà toby kely iray misy ireo mpitsoaponenana Afgàna, ary avy eo, indray andro, nahalàla fa Stephen Hawking mihitsy no nidera anao sy ny asanao
Iza No Mbola Mila Elefanta Raha Afa-Milalao Polo Amim-Pandehanana Kodiaran-Telo Ianao? (Afa-Mihira Ihany Koa)
Nisy lalao vaovao noforonin'ny mpitazona efitrano fandriambahiny avo lenta iray lasa fotoana malaza fanao isan-taona ao Sri Lanka, fa miharomotra ny olona milalao Polo Tuk-Tuk.
Pakistane Mpanao Kanto Mahatsiaro An'i Sabeen Mahmud Sy Ny Fanentanana Nataony Ny Andron'ny Mpifankatia

Araka ireo mpamono an'ilay mpikatroka mafana fo, Sabeen Mahmud, ny fanentanana nataony ny Andron'ny Mpifankatia izay "manohitra ny fivavahana Silamo" no "heloka novidiany lafo tamin'ny farany."
Ela Ny Ela, Rindrina Mampiray Vahoaka Fa Tsy Mampisaraka
Raha mamaky ny tantaram-pirenena maro isika dia endriky ny fisarahana, fanavakavahana ny rindrina. Saingy nisy toe-javatra vaovao antsoina hoe “rindrin'ny fahatsaram-panahy” ankehitriny manao izay mifanohitra indrindra amin'izany fampisarahana izany.
Tsindry Shinoa Tao Amin'ny Vovonan'ny Zavakanto Ao Bangladesh Hanampenam-Bava Ny Fampirantiana Momba An'i Tibet
"Ny fandrahonana ambadiky ny hafatra dia: Raha tsy manaraka izany ianao dia hotapahinay ny fifandraisana ara-toekarena na hanasarotra izany ho anareo izahay.."
Mitaky Sehatra Ho An'ny Vahoaka Hisotroana Kafe Ny Vehivavy Pakistaney
Mikarakara hetsika ny vehivavy Pakistaney mba hananganana sehatra azo antoka ho azy ireo manokana amin'ny sehatra izay matetika tsy andraisana sy tsy ahitana azy ireo.
Tsy Momba Ny YouTube Ihany Ny Sivana Atao Amin'ny Aterineto Any Pakistàna

Mety ho tsy misy mihitsy, nifototra tamin'ny fanapahankevitra ad hoc izay noraisina tao anatin'ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny tsy fandraisana andraikitra, ny fitsipika mifehy ny Aterineto any Pakistana.