Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Septambra, 2019

27 Septambra 2019

Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir

GV Mpisolovava

Tohin'ny fahasimban'ny fifandraisana ao Kashmir anatiny, nampiasain'ireo mpanao Aterineto avy any ivelany ny Twitter mba hanohitra ny fanafoanan'i India ny zo fizakan-tenan'ny faritra.

22 Septambra 2019

Muharram ao Pakistàna: Sahy manaja ny Ashura

Zava-mahazatra ny fahitàna herisetra atao amin'ireo Shiita sy ireo vondrom-piarahamonin'ny shiita Hazara noho ny resaka foko niaviana. Na izany aza, tamin'ity taona ity dia marobe ny olona tonga indray hanaja ny Muharram, saingy nasiana fanamafisana ny fepetra fiarovana fandriampahalemana.

16 Septambra 2019

Mamely mafy an'i Chennai ao India ny tsy fisian'ny rano madio

Voakasika ny fiainan'ireo olona 9 tapitrisa ao atsimon'i India satria miatrika krizin-drano tsy mbola nisy toy izany i Chennai, iray amin'ireo tanàna mitombo haingana be indrindra manerantany.

13 Septambra 2019

Netizen Report: Roa taona taorian'ny fandosirana ny fanafihan'ny miaramila tany Myanmar, miatrika fanapahana finday ao Bangladesh ireo mpitsoa-ponenana

GV Mpisolovava

Nesorina tamin'ireo mpitsoa-ponenana ny fidirana amin'ny finday ao Bangladesh, mamaly ny fanafihana DDoS ny forum web Hong Kong, ary manitatra ny fifehezana ny aterineto i Torkia.

12 Septambra 2019

Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena

Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.

11 Septambra 2019

Mpahay tantara ambava sy arsivista mameno ny fandraketana ny fivakisan'i India tamin'ny taona 1947

Miasa miaraka amin'ireo sisa velona tamin'ny fivakisana taona 1947 ny mpahay tantara mba hahatsiahivan-dry zareo izao nitranga ary mba ho voatandro ny tantaran-dry zareo.

06 Septambra 2019

Manapaka ny servisim-pinday ho an'ny Rohingya i Bangladesh

Nanome baiko ny orinasam-pifandraisandavitra ao aminy ny governemanta Bangladeshita hanapaka ny fidirana finday any amin'ny toby Rohingya amin'ny lazaina ho ‘fiarovam-pirenena'.

04 Septambra 2019

‘'Tsy fantatr'izao tontolo izao ny harena ananan'ny literatiora nepaley” : resaka nifanaovana tamin-dRtoa Dr. Sangita Swechcha

"Tsy hoe fotsiny ny isa mitombon'ireo Nepaley mpanoratra misafidy ny hanao ny asany ho amin'ny teny anglisy, fa koa ny fipongaran'ireo fandikàna asa literatiora avy amin'ny teny nepaley ho aminà tenimpirenena hafa.."