· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Janoary, 2018

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

24 Janoary 2018

Népal : Krizin'ny Angovo

Lohahevitra resahana manerantany ny fitsitsiana angovo sy ny fitadiavana loharanon'angovo tsy manimba ny tontolo iainana. Ho an'ny firenena mandroso sy ny an-dalampandrosoana, iray amin'ireo olana manan-danja ny angovo. Resahana ankehitriny any Washington ka hatrany Riyadh ny tahotry ny tsy fahampian'ny angovo amin'ny hoavy.

19 Janoary 2018