Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2015

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Marsa, 2015

29 Marsa 2015

Ireo Zazakely Mahazo Zazakely: Tsy Misy Sekoly Ho An'ireo Vady Tanora Any Nepal

Ny taona lasa teo, latsaky ny 15 taona ireo mpanambady miisa 4.000 tao Nepal. Any amin'ny faritra sasany, ambany toerana ao atsimon'ny firenena, ny antsasany maherin'ireo fanambadiana no nahitàna ankizy vavy latsaky ny 12 taona.

17 Marsa 2015

Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?

Tsy tonga lafatra ny horonantsary fanadihadiana momba ny tranga fanolanana tao Delhi tamin'ny taona 2012, saingy nanome tsiny ny governemanta ao India ny tsikera sasany noho ny fandraràna ilay horonantsary sy ny fangatahany tamin'ny Youtube mba hanakatona izany.

15 Marsa 2015

MItsidika ny Faritr'i Everest Ao Nepal Tsy Miala ny Tanindrazana

Nanangana fitsidihana virtoaly ao amin'ny faritra Khumbu ny Google.

14 Marsa 2015

Mpanao Ady Totohondry Misandratra sy ny Takaitran'ny Adin'Andian-Jatovo ao Lyari, Pakistan

Avy any amin'ny tanàna amorontsirak'i Gwadar ao Balochistan i Talha Baloch. Saingy taorian'ny tsy fisian'ny fivoaran'asa tao dia nifindra tany Lyari, Karachi fanta-daza amin'ny famokarana mpanao ady totohondry mahay dia mahay izy.

11 Marsa 2015

Ahoana ny Nanapahan'ny Turkish Airlines Andro Maromaro Ny Seranam-piaramanidina Ao Nepal

Efa misokatra ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Nepal rehefa nikatona nandritra ny 3 andro taorian'ny zava-nitranga tamin'ny vorombin'ny Turkish Airlines tamin'ny 4 Martsa.

07 Marsa 2015

Maninona Ny Tampon'Izao Tontolo Izao No Rakotra Tay

Ifampizaran'ireo vahiny mpihanika sy ny manampahefana ao Nepal ny fahatsapany fa rakotra tay sy fako isan-karazany ilay tendrombohitra malaza.

Olan'ny Fanabeazana Ao Pakistana, Tsy Misy Ilàna Azy Ny Adin'i Balochistan Amin'ny Fanaovana Hosoka

Ny Tetezana - The Bridge

Miaraka amin'ny tahan-jaza 2 amin'ny 3 tsy miditra an-tsekoly, Nanao fampielezankevitra naherihery setra ihany ny governemantam-paritra tao amin'ny faritany lehibe indrindra ao Pakistan, Balochistan, mba hampiatoana ny fanaovana "hosoka" amin'ny fanadinana any an-tsekoly.

05 Marsa 2015

Midika Fahafahana Mandefa Anao Any Am-ponja Ny Fihinanana “Burger” Noho Ilay Fandraràn'ny Fanjakàn'i Maharashtra Tsy Hihinana Hena #BeefBan

"Arahabaina ry Maharashtra: tsara antoka kokoa ankehitriny ny omby vavy noho ny vehivavy, Dalit na Miozolmana eto amin'ny fanjakana.."

Marobe Ireo Aina Nafoy Noho Ny Herisetra Ara-politika Ao Bangladesh

Manakatona ny varavarakelin'ny fiarako aho, mandefa ny famerana mari-pana ary mieritreritra hividy fitaovana famonoana afo. [Amin'izay] raha misy baomba atsipy ao anaty fiarako, afaka mamono ny afo aho handosirana sy hiavotana.