Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Aogositra, 2019
Mampiasa media sosialy i Bangladesh mba hiadiana amin'ny valan'aretina dengue
Noho ny tsy fisian'ny fisantarana andraikitra sy ny fanentanana avy amin'ny fanjakana, miditra media sosialy ny vahoaka mba hampianatra sy hanao fanentanana momba ny tazo Dengue.
Malaza eo amin'ny indostrian'ny sarimihetsika ao Pakistan ny #MeToo
Herintaona taorian'ny nidiran''ilay mpilalao sarimihetsika Meesha Shafi tao amin'ny Twitter mba hiampanga an'i Ali Zafar momba ny fitondran-tena ratsy ara-nofo, iharan'ny adihevitra be indray ny indostrian'ny fialamboly Pakistaney. Tamin'ity indray mitoraka ity dia voampanga tamin'ny herisetra an-tokantrano ilay mpilalao sarimihetsika sady mpiangaly mozika Mohsin Abbas Haider ary miandry fitsarana.
Mozean-javamaneno nentin-drazana tokana ao Nepal miady aman'aina hanavotana zavamaneno tsy fahita firy
Miatrika fanesorana azy ity mozea tsy manampaharoa ao Nepal ity ao anatin'ny tsy fahazoana fanohanana avy amin'ny mpikaroka sy ny mpitsidika amin'ny ankapobeny. Niresaka tamin'i Ram Prasad Kadel, mpanorina sy mpanangona, ny Gobal Voices.
Nitarika herisetra ny tsahon'ny fanaovana “sorona olombelona” ho an'ny tetezana Padma tany Bangladesh
Valo no olona notanana manerana an'i Bangladesh noho ny fanelezana ny tsaho tao amin'ny Facebook nilaza fa 'mila lohan'olombelona sy ra hatao sorona ho an'ny tsangan'ny tetezana Padma' .