Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2021
Lahatsarin'ny ‘Fanaka Kakoli’ nahatonga sary mahatsikaiky tao Bangladesh sy Bengal Andrefana
Nanjary zava-nanaitaitra tao Bangladesh sy Bengali Andrefana any India ny lahatsary dokambarotra iray tsy nandaniana vola firy zarazaraina ety anaty tambajotra sôsialy, andrenesana fehezanteny miverimberina misy teny enina hoe "Mora vidy, tsara kalitao, ny Fanaka Kakoli"
Ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny COVID-19, miantso fanampiana iraisampirenena i Nepal
Rotehan'ny onja faharoa amin'ny coronavirus i Nepal. Miakatra be ny tahan'ny tratry ny aretina ary tototra ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, miantso fanampiana iraisampirenena i Nepal.
Miaraka amin'ny fihenan'ny velaran-tany mando, mizotra mankany amin'ny fihenana koa ny isan'ireo sakadia mpanjono tsy fahita firy ao Nepal
Mihena ny isan'ireo karazana sakadia satria ny toerana fonenana dia efa mihamaina ary navadika ho tany fambolena ary fampiroboroboana ny fotodrafitrasa.
Mifanakaiky dia akaiky ny isam-bato amin'ny fifidianana solombavambahoaka, Ho azon'ny Antokon'ny Kongresy tafala amin'ny BJP ve ny fanjakana Assam?
Nanjaka tamin'ny antenimiera mpanao lalàna ao Assam ny Kongresy Nasionaly Indianina (INC) nanomboka ny taona 1951 ka hatramin'ny 2016 rehefa nivadika ho an'ny Antoko Bharatiya Janata (BJP) an'ny praiminisitra Narendra Modi ny fifehezana.