Navoakan'ny Artista Iray Tao Anatin'ny Asam-Pamoronany Ny Fahasarotam-Piainana Ao Kathmandu

Trail of Liberation. Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

Sakeli-dalam-Panafahana. Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Na dia niverina tsikelikely amin'ny laoniny aza ny fiainan'ny mponina ao Kathmandu, dia tsy mbola tena afaka misento izy ireo, eny fa na dia nesorina aza ny sakana tsy ofisialy nataon'i India, izay naharitra efa ho dimy volana. Efa hatramin'ny faran'ny volana Septambra 2015 i Nepal  no niaritra tsy fisian-tsolika sy kojakoja ilaina goavana, satria dia nihitsoka tany amin'ny sisintany manasaraka an'i India sy i Nepal ny kamiao maromaro  mitondra ireo entam-barotra tena ilaina .

Mbola miaina anatin'ny tsy fisian'entana hatrany ny mponina noho ny  loza nataon'olombelona [fr] sy ny fanaovana varo-maizina ireo entana tena ilaina anisan'izany ny etona fandrehitra fahandroa-tsakafo.

Ashim Shakya, artista nampiana-tena sady mpitendry mozika avy any Kathmandu, no nampiseho tamin'ny alalan'ny andian-javakanto navoakany ny toe-draharaha. Ny “Pressurized” [Fanerena] eto ambany dia mampiseho ny fahaterena niainan'ny Nepaley nandritra ny sakana.

Pressurized. Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

Fanerena. Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Ao amin'ny sangan'asany “Annihilation” na “Fandringanana” izy mampiseho ny varomaizin'ny etona fahandroan-tsakafo .

Annihilation. Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

Fandringanana. Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Asakanto hafa “F A N D O A R A N A“, mampiseho singa vitsivitsy sy vokatry ny krizy, ny varomaizina ary ny fahirano [barazy].

E X T R A C T I O N . Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

F A N D O A R A N A. Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Noho ny tsy fisian'ny solika vokatry ny sakana tsy ofisialy nahatonga ny olona niantehitra tamin'ny herinaratra mba hahandroan-tsakafo, hisintonan-drano ary hanaovana ny zavatra ilaina andavanandro, dia mihoatra ny 500 ny milina mpanodina herinaratra manerana ny firenena no tsy nahazaka ny vesatr'izany ka nipoaka.

Tonga i Ashim avy eo namoaka ny asakantony “Explosive Aftermath” na “Mety hipoaka aoriana” hanoritsoritra izany zava-nisy izany.

Explosive Aftermath. Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

Explosive Aftermath. Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Nanazava amin'ny antsipiriany ny foto-kevitra fonosin'ny “Mety hipoaka aoriana” izy tamin'ny alalan'ny facebook.

This symbolizes the recent issue of exploding Transformers due to overload of electricity. The transformer poles are levitating itself for the people as it[‘]s no longer safe to be on the ground proving its smarter than most of the officials here. Though this is the main theme behind this work, everyone may relate it to your respective Interpretations and feelings. Thank you.

Io no mametraka ho marika ny olana vao haingana tamin'ny fipoahan'ireo milina fanodinana herinaratra noho ny fampiasana be loatra ny herinaratra. Na ny tendro amin'ny milina mpanodina herinaratra aza dia mihevaheva ka tsy azo antoka intsony izy eo ambonin'ny tany ary izay no manaporofo fa manara-penitra kokoa noho ny an'ny ankamaroan'ireo manampahefana eto io.Na dia izany aza no tena foto-kevitra lehibe voalohany ao ambadik'ity sanganasa ity ,dia samy afaka milaza ny  fihetseham-pony handikany izany ny tsirairay.Misaotra anao.

Ny asany mitondra ny lohateny hoe “Breakdown I E N C L O S E D” na “Faharavana Nampidiriko” aza dia manoritsoritra matanjaka ny endrik'i Kathmandu nandritra ny horohorontany niseho tamin'ny volana aprily 2015 izay nahafatesana olona manakaiky ny 9000.

Breakdown I E N C L O S E D . Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

Breakdown I E N C L O S E D . Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Su Bash, mpiserasera Facebook, nanoratra ny fijeriny momba ilay asa-tànana:

For me this depicts the black day, the day when earthquake struck. The world came crashing in. This is a powerful image.

Amiko io dia maneho ilay andro mainty, ilay andro nisian'ny fihovitrovitry ny tany io. Teo ampaharavàna izao tontolo izao. Mahery ity sary ity.

Tsy tamin'ny fahavitsiana [na tsy fisiana], korontana ary fahapotehana ihany no nifantohan'i Shakya ao amin'ny zavakantony, fa asehony ihany koa ny fanantenana sy ny firindrana izay misy betsaka ao Nepal.

Ao amin'ny piesiny “Mellow Dwellings” na “Fonenana Mahafinaritra” izy mamadika ny filaharan-trano ho zavamanenon'ny tarika mpihira iray. Manazava i Shakya ao amin'ny Facebook hoe:

“Mellow Dwellings “
Souls of triumphant comes over these houses where Music dwells in every walk and gestures as I pass the melodies of my path. A lone house may chant some notes but it's the community that composes a “Harmony” .

“Fonenana Mahafinaritra”

Tonga ao amin'ireo trano ireo izay itoeran'ny mozika isaky ny anaovako famindra sy fihetsika alefan'ny figadon'ny hira ataoko amin'ny lalako ny fanahim-pandresena. Ny trano manirery mety hihiaka naoty sasantsasany saingy ny fiarahamonina no mandrafitra ny “Firindrana”.

Mellow Dwellings. Artwork by Ashim Shakya. Used with permission.

Mellow Dwellings na fonenana mahafinaritra. Asakanton'i Ashim Shakya. Nahazoana alalana.

Ilay mpiserasera Facebook Manjima Sharma naneho hevitra hoe:

Amazing imagination. If the houses were constructed to reflect the sketch , it could have been a world landmark. Wonderfully done.

Famoronana mahatalanjona. Raha toa ka naorina anehoana zava-miseho ilay sary, dia mety ho toerana manandaza eto amin'izao tontolo izao. Tena vita mahafinaritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.