Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Oktobra, 2019

31 Oktobra 2019

Mibitsika ny kanton'i Azia Atsimo

"Tena ilaina ny fahitàna tsara ireo Desi mpanakanto mba hamoronana fiarahamonina iray liampandrosoana sy mivoatra ara-kolontsaina."

26 Oktobra 2019

Manana antony roa fanampiny hitarainana momba ny fifamoivoizana ny renivohitr'i Bangladesh

"Mijaly mafy ny olona noho ny fitohanan'ny fiara, mila fialan-tsasatra ny vahoaka, vitao azafady ny tetikasa Metrorail voalohany".

24 Oktobra 2019

Nanala ny ampahany tamin'ny fanapahana ny fifandraisana ao Kashmir i India, mbola tapaka kosa ny aterineto

Araka ny tatitra vao haingana, manohitra ny famoretana sy ny fanakatonana ny fifandraisana napetraky ny governemanta Foibe Indiana ny Kashmirita "amin'ny alalan'ny satyagraha na tsy fankatoavana sivily tsy misy herisetra".

22 Oktobra 2019

Namoaka rakibolana antserasera fiteny indizeny 21 ny fanjakana indiana ao Odisha

Rising Voices

Ahitana fiteny mihoatra ny 780 eto India ary manakaiky ny 220-250 eo ny fiteny maty tao anatin'ny 50 taona farany.

21 Oktobra 2019

Vonjitaitra ao Pakistana 2007

Ny 3 Novambra 2007, nanambara ny Filohan'i Pakistana, Pervez Musharraf, fa latsaka an-katerena ny firenena. Notapahana ireo fantsona fahitalavitra tsy miankina, nosakanana ireo finday tao an-toerana ary nahena ny fidirana Aterineto. Novalian'ireo bilaogera io toejavatra io, na dia mety hampidi-doza ny fiarovana ny tenany aza ny fanakianana ny governemanta sy ny...

14 Oktobra 2019

Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny

GV Mpisolovava

Nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversite injeniera ambony ao amin'ny firenena.

07 Oktobra 2019

Video: Roa volana fikatonana ao Kashmir

60 andro izay no niato ny fiara fitateram-bahoaka, voabahana ny servisy finday, mikatona ny sekoly sy ny kolejy ao Kashmir. Mitatitra avy ao Shopian i Basharat Amin, mpifandray amin'ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers.

04 Oktobra 2019

Ny hatsaran-tarehin'ny salohim-bary avy amin'ny talenta ara-javakanto any India sy Nepal tsy dia misy mpahalala loatra

Miha-manjavona tsikelikely ny fomban-drazana amin'ny fanaingoana trano amin'ny salohim-bary norandranina ho hanana endrika tsara tarehy.